Alatsinainy 18 Jolay 2022

Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8, 9

 

Inona no atao hoe kristiana ?

Misy rakibolana iray, mamaritra ny kristiana ho „olona mino an’i Jesosy Kristy ary natao batisa”.

Tany Antiokia no nanomezana voalohany ny anarana hoe kristiana ho an’ny mpianatr’i Jesosy (Asan’ny Apostoly 11:26). Izy ireo dia nampiseho, tamin’ny fitondrantenany sy ny teniny, ny fifamatorany amin’i Jesosy Kristy. Araka izany, tany am-boalohany ny hoe „kristiana” dia midika hoe : „mpianatr’i Kristy”.

Ankehitriny ny voambolana hoe „kristiana” dia matetika ampiasaina mba hanondroana olona „manaraka fombafomba” na tsia, nandray ny batisa kristiana, nefa tsy voatery ho mpianatr’i Jesosy, na hino Azy akory aza. Azo atao ny mankany am-piangonana, manao asa fiantrana, milofo ao anatina fikambanana kristiana, nefa tsy manana finoana an’i Jesosy Kristy. Raha izay, dia tsy kristiana araka ny hevitry ny Baiboly momba io teny io.

Ny hoe finoana, dia mbola io rakibolana io koa no mamaritra izany ho „fanekena tanteraka filamatra iray tsy takatry ny tena, fanekena fivavahana iray, fitokisana tanteraka amin’olona na zavatra iray”. Aoka isika tsirairay haka fotoana hisainana ny hoe : manana finoana an’i Jesosy Kristy tokoa ve aho, mitoky tanteraka aminy ve ? Mino ve isika fa Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra, nidina avy any an-danitra mba hisolo toerana antsika, hizaka ny fitsarana sahaza antsika ? Mino ve isika fa nitsangana tamin’ny maty tokoa Izy, ary hiverina tsy ho ela haka ny olony mba hitondra azy ireo ho any an-tranon’ny Rainy ? Io finoana io irery ihany no ahafahana miantso antsika hoe kristiana, kristiana tena izy !

Ary ndao homarihina ihany koa, fa raha tsy amin’io finoana io, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra (Hebreo 11:6).