Alahady 17 Jolay 2022

Ny sombin’aiko dia natolotro ho eo an-tànan’ny fahavalony. Jeremia 12:7

Andriamanitra… tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy. Romana 8:31, 32

 

Ny fanginana tao Kalvary

— Talohan’ny nanombohan’i Jesosy ny asany ampahibemaso, dia nasainy nataon’i Jaona batisa tao Jordana Izy ; tamin’izany Izy dia niombona tamin’ireo izay nibebaka sy niaiky ny fahotany. Saingy tsy tian’Andriamanitra hampifangaroana tamin’ny olona mpanota nanodidina Azy Jesosy, Izay tsy nanana ota. Koa nisokatra ny lanitra, ary nanambara Andriamanitra Ray hoe : „Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 3:17).

— Taloha kelin’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia niakatra tany an-tendrombohitra, niaraka tamina mpianany telo lahy. Niova ny tarehiny, niseho tamin’izy ireo tao amin’ny fiandrianany Izy, namirapiratra ny fitafiany. Niseho tamin’izy ireo i Mosesy sy Elia. Mba hampaharitra izany fotoana miavaka izany, dia nandroso hevitra i Petera hanao lay ho an’i Jesosy sy Mosesy ary Elia, ka amin’izany dia nametraka an’i Jesosy hitovy laharana amin’ireo mpaminany roa ireo. Mbola niditra an-tsehatra indray Andriamanitra Ray, mba hanamafisany ny hajan’ny Zanany (Marka 9:2-8).

— Izao Jesosy dia voahombo eo amin’ny hazofijaliana. Tsy eo afovoana mpanota mibebaka intsony Izy, na eo afovoana mpaminany nohajaina. Nohomboana teo anelanelana jiolahy roa Izy. Nesorina taminy ny akanjony. Notsiratsirain’ireo niara-nampijalina taminy Izy. Nijery ny zavamisy ireo lohandohany ara-pivavahana, ny miaramila, ny mpandalo. Naneso Azy izy ireo, nanimbazimba, nihantsy. Ary mbola ratsy kokoa noho izany aza, fa nihaika an’Andriamanitra izy ireo mba hanafaka Azy, satria Jesosy nitoky taminy. Havelan’Andriamanitra hohamavoina toy izany ve Ilay Zanany malalany ? Hiditra an-tsehatra toy ny tao Jordana sy tany an-tendrombohitra ve Izy ? Tsia… Navelan’Andriamanitra hiteny ny olona, navelany hanao izay nataony, nangina Andriamanitra. Fa nahoana moa ? Mba hamonjeny mpanota nikomy taminy.

Lalina ny fitiavan’Andriamanitra antsika !