Asabotsy 16 Jolay 2022
Raha ny fahatsontsana (fahadisoana tsy nahy), dia iza re no mahalala izany ? Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatra. Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny ota sahisahy… Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahina eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy. Salamo 19:12-14
Mety hitolagaga ny tsirairay mandinika ny voary sy mandre ny hafatra entiny (fiandohan’ny salamo). Izay mandray ny Tenin’Andriamanitra dia mahita ihany koa ny halavorarin’io Teny io ; voatarika ho amin’ny finoana izy (ao afovoan’ny salamo). Koa fiteny manambara fiderana no ampoizina any amin’ny faran’ny salamo, nefa dia fahatsontsana, fahadisoana, fahotana no resahina… Fa nahoana moa ?
Tany am-boalohany dia niombonan’ny olona rehetra ireo fisaintsainana mahafaly momba ny fahariana. Avy eo dia niteny mivantana kokoa ny Tenin’Andriamanitra, satria ilay mihaino ny fanambarana ihany no mandray izany sy mitonona any am-parany hoe : „mpanomponao”. Efa manana fifandraisana amin’Andriamanitra izy ankehitriny, amin’ny alalan’ny finoana, ka manompo Azy sy mitsaoka Azy.
Amin’izany ny mpanao ity salamo ity dia miresaka mivantana amin’Andriamanitra ary mangataka aminy hoe : „Ataovy tsy manan-tsiny aho”, „arovy aho”. Mangataka amin’ny Tompo izy mba hanana fahazavan-tsaina manoloana ny ratsy. Mieritreritra ny fahadisoany izy, sy ireo mety ho faniasiany, ireo „ota tsy fantatra”. Nambaran’ny Tenin’Andriamanitra taminy ny fahotany, nefa manjary fantany koa fa Andriamanitra dia mamela heloka sy manadio ny mpino.
Manaraka izany, mangataka amin’Andriamanitra izy mba harovany amin’ny fahadisoana iniana atao, mifamatotra amin’ny avonavona. Eo ny ratsy, manodidina azy, ary ao anatiny mihitsy aza ; tsapany fa tokony harovana izy mba tsy hanapaka eo aminy ny ratsy.
Farany, atolony an’Andriamanitra ny vavaka ataony, tsy toy ny fangatahana tsy akory, fa toy ny fisaintsainana, izay azon’ny Tompo raisina. Miresaka izy amin’Ilay fantany ankehitriny ho „Ilay Vatolampiny”, Ilay azony ianteherana, ary „Ilay Mpanavotra”azy, Ilay manome azy ny fahafahana.