Zoma 15 Jolay 2022

Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy ; fa ny teny soa no mahafaly azy. Ohabolana 12:25

Apetraho aminy (amin’Andriamanitra) ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7

 

Fo mitebiteby

Ny asa aman-draharaha atao eo amin’ny fiainana ankehitriny dia miteraka tebiteby betsaka manindry antsika, ary matetika mahatonga antsika tsy hanana fahatoniana intsony. Ny fiarahamonina dia mikatsaka fahatsaram-piainana ary miady mba hampitombo ny fiadanana sy ny filaminana, nefa izany dia tsy mahasakana ny fanahiana ankapobeny tsy hitombo. Ny ankamaroantsika dia miaina manana ny ampy kokoa noho ny ray aman-drenintsika, nefa dia mora mikorontana sy mitebiteby, mikaroka filaminana sy fatokiana mandrakariva. Ny manana saina milamina no zavatsoa lehibe indrindra azontsika irina. Afaka hahita izany ve isika ao anatina tontolo mikorontana ? Olona marobe no miezaka hanatratra amin’ny heriny samirery izany fiadanan’ny fanahy sy ny saina izany, nefa tsy mahomby : tsy misy na inona na inona, eto amin’ity tontolo ity, afaka mameno ny banga ao anatin’ny fanahy. „Mitebiteby lava ny fontsika raha mbola tsy miankina amin’Andriamanitra”, hoy i Saint Augustin.

Jesosy irery ihany no mitondra ny valiny mandaitra amin’ny tebiteby : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Ny hoe manatona an’i Jesosy Kristy dia ny mandray io fanasany io ho ahy manokana, mino fa mahery Izy ka manafaka ahy amin’ny fahabangana, amin’ireo fanontaniana sy ireo fijalian’ny fanahiko. Ny mamela Azy hitondra ny fiainako, izany no tena fanefitry ny fitebitebena.

„Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).