Alakamisy 14 Jolay 2022
Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, omban’ny fianinana. 1 Timoty 6:6
Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo. Filipiana 4:4
Tsaroako lalandava ity vehivavy kristiana iray efa zokiolona, mananotena, nipetraka tany amina trano fikarakarana beantitra. Tsotra sady velona ny finoany. Fantany ny vesatry ny halemena mifamatotra amin’ny taonany, ary efa jamba mihitsy aza izy. Na teo aza anefa izany toejava-tsarotra izany, dia lehibe ny fitoniana anaty nasehony : ny fianinana, ilay fahafahampo isanandro voalaza etsy ambony. Ny hoe mifaly, hoy angamba ianao, dia hay atao rehefa mandeha tsara ny zavatra rehetra, fa rehefa tonga kosa ny fahasahiranana toy izany… Ary isika ve tsy matetika no sorena, ao anatina toejavatra kely lavitra noho izany aza ?
Mba haha faly antsika mantsy, dia mila fahasoavana manokana isika ; tsy ao anatintsika izy io. Ny andinin-tSoratra Masina androany dia manome antsika ny fanalahidy ahitana io fahasoavana io. Miaraka amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izy io, dia fifandraisana akaiky, voakolokolo, amin’Andriamanitra fantatsika ho Ray, sy amin’i Jesosy Zanany, nampahafantatra Azy antsika. Fifandraisana am-patokiana, satria fantatsika fa tia antsika Andriamanitra ary te hanasoa antsika. Koa raisintsika avy amin’ny tanany izay omeny antsika. Ary ny omeny antsika dia izay zavatra rehetra ilaintsika. Izany no fianinana miaraka amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Afaka miresaka amin’Andriamanitra ihany koa isika, mivavaka aminy, mihaino Azy isanandro amin’ny famakiana ny Teniny. Ny apostoly Paoly, izay nangirifiry tao amin’ny vatany, dia nahare ny Tompo niteny taminy hoe : „Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:9).
Te hampianatra antsika ho afa-po Andriamanitra. „Izaho efa nianatra tsy hierina”, hoy i Paoly (Filipiana 4:11). Ho amin’izany, dia ndao hitoetra ao amin’ny fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra, satria avy aminy no ahazoantsika ny hery.