Alarobia 13 Jolay 2022
Mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany. Lioka 11:28
Ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany ; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana. Isaia 35:10
Ny 15 jolay 2018 dia tompondakan’izao tontolo izao tamin’ny baolina kitra i Frantsa. Ny ampitso dia izao no lohateny-na gazety ara-panatanjahantena iray : „Fahasambarana mandrakizay”. Niaraka tamin’izany fandresena izany ny firavoravoan’ny vahoaka, olona an’arivony no nidina teny an-dalambe mba hankalaza ireo maherifony.
Mety hanana fihetseham-po lehibe, rehefa mahita ny fandresen’ny ekipa iray ankafizina. Trangan-javatra manokana mety ho tadidy ihany ireny ; nefa ho an’ny maro, izy ireny dia tsy misy ifandraisana amin’ny fizotran’ny fiainany, amin’ny adin-tsainy, ny fahoriany, ny fifaliany…
Ireny dia fifaliana ivelambelany, mety manafina alahelo lalina mihitsy aza : „Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, ary ny faran’ny hafaliana dia alahelo” (Ohabolana 14:13). Mety ho fifaliana misy fitiavantena ihany koa ireny, satria tsy ifampizarana afa-tsy amin’ireo nandresy, izay manadino ny fahadisoam-panantenana sy tsy fahafahampon’ireo resy. Ary farany, tsy mitondra „fahasambarana mandrakizay” na oviana na oviana ireny, satria fifaliana miserana ihany, mihalefy rehefa mandeha ny fotoana, toy ny fifaliana maro eto an-tany.
Taomin’Andriamanitra isika ho amina fifaliana hafa, tsy dia hita maso loatra, tsy misehoseho be nefa lalina kokoa, iainana ao anaty fiadanana. Ao amin’Andriamanitra ny loharanony. Izy no Ilay Andriamanitry ny fiadanana, Ilay Andriamanitra finaritra. Io fahasambarana milamina io dia omen’Andriamanitra ireo izay „voavela ny helony sy voasarona ny fahotany” (Romana 4:7). Jesosy dia nitondra ny famaizana sahaza ireo fahadisoantsika, ary manome ny fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra mino Azy. Io fiainana mandrakizay io no mameno fahasambarana mandrakizay ny fon’ny mpino.