Talata 12 Jolay 2022

Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra ? Genesisy 18:25

… mba hanehoana ny fahamarinany (fahamarinan’Andriamanitra) ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy. Romana 3:26

 

Valin’asa ara-drariny

„Manantena aho fa ny tsara dia hahazo valimpitia ary ny ratsy kosa hosazina”, hoy ity filôzôfa iray tamina mpanao gazety nanontany azy momba ny any ankoatra. Izany no andrasan’olona maro, satria feno tsy fahamarinana izao tontolo izao. Koa mba tiana ny hahazo rariny, farafaharatsiny aorianan’ny fahafatesana !

Eny, hovaliana ny tsy rariny. Hoy ny Baiboly amintsika : „Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa” (Jeremia 51:56). Amin’ny andro iray voafidiny dia haharihary avokoa ny zavatra rehetra, ary handray izay sahaza azy ny tsirairay. „Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy” (Mpitoriteny 12:14). Ny fiainantsika, ny nataontsika, ny fikasantsika, dia samy haseho miharihary avokoa. Ahoana moa no tsy homelohin’Ilay Andriamanitra Izay tsy mety manamarina ny meloka sy nilaza hoe : „Tsy misy marina na dia iray akory aza” (Romana 3:10) ?

Andriamanitra ve izany hampihatra ny fitsarany marina amin’ny olona rehetra ? Tsia, „fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy”. Tsy hotsaraina ireo izay mino fa voaheloka nisolo toerana azy Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Mihoatra lavitra noho izany aza, lazaina fa marina izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra. Ny tsy finoana an’i Jesosy Kristy dia fandavana ny fahasoavan’Andriamanitra, fandavana ny vokatry ny sorona nataon’ny Zanany. Izay tsy mino dia mitono tena hiseho eo anatrehan’Andriamanitra mba hotsaraina araka ny asa natao, ary noho izany, handeha ho any amin’ny „fampijaliana mandrakizay” (Matio 25:46).

Anio, ny safidy tsara no ataovy : „Tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1).