Alatsinainy 11 Jolay 2022
Any am-paran’ny tany no hiantsoako Anao, raha reraka ny foko ; ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo ka tsy tratrako ; fa aroko Ianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo… Aoka hialoka ao ambanin’ny fanomban’ny elatrao aho. Salamo 61:2-4
Pasitera tany Alemaina i Martin Niemöller, taorianan’ny ady lehibe voalohany. Tamin’ireo taona nanaraka ny nipoiran’ny fitondrana jadon’i Hitler dia niha tsy nandry saina i Niemöller, ka nanohitra io fitondrana io, ary noho izany dia nosamborina tamin’ny taona 1937. Ny marainan’ny andro hitsarana azy, ny 7 febroary 1938, dia nentina mpiambina izy niala tao amin’ny hiboka nisy azy, ho any amin’ny efitra fitsarana. Matin’ny tahotra i Niemöller : inona no hiafarany ? Inona no hanjo ny ankohonany ? ary ireo rahalahy sy anabaviny ao amin’ny finoana ? Fampijaliana toy inona no miandry azy rehetra ?
Tsy nihontsona ny endrik’ilay mpiambina, nefa nony nivoaka tonelina iray izy ireo, dia nahare bitsibitsika zara raha heno i Niemöller. Tamin’ny voalohany dia tsy fantany hoe avy aiza izany, satria malefaka toy ny sento ilay feo. Avy eo dia tonga saina izy fa nobitsibitsihin’ilay mpiambina teo an-tsofiny ny Ohabolana 18:10 : „Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy ; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy”.
Angamba isika tsy mandalo zava-doza toy izany, nefa mety hahatsapa ho heniky ny tahotra na hahatsiaro ho tsy mahazo aina, rehefa misy eritreritra ratsy mihotakotaka ao anatintsika ao.
Koa inona àry no tokony hataontsika ? Aza manandrana hiala samirery amin’izany. Ndao hihazakazaka hialoka ao amin’ny anaran’ny Tompo, izany hoe eo amin’ny fanatrehany. Ndao hanao izany amin’ny fo mahitsy, tsy hampiseho endrika ivelany manodoka. Aza manafina na inona na inona amin’ny Tompo… dia ho gaga isika manoloana ny fidadasiky ny fahasoavany. Ny halemem-panahiny, ny fitiavany dia hampahery antsika sy hiaro antsika. „Andriamanitry ny fahasoavana rehetra… hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo” (vakio 1 Petera 5:10).