Alahady 10 Jolay 2022

Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa ? Mika 7:18

 

Andriamanitra mamela ny helokao

Any Pranles, any Ardèche (Frantsa), ny tranon’i Marie Durand fahiny dia misy tranom-bakoka kely mitantara ny fiainan’io vehivavy kristiana io, nogadraina noho ny finoany, fony nanjaka i Louis XIV. Nisy mpiasa nanolo ny tafontrano, ary nahita tafo tanimanga iray nisy soratra hoe : „Andriamanitra mamela ny helokao”.

Iza no nanao sokitra izany ? Ary teny natao ho an’iza izany ? Tsy fantatsika, nefa tamin’izany fotoanan’ny fanenjehana ara-pivavahana izany, ilay nanoratra io teny io dia tsy isalasalana fa nieritreritra ireo nanao haza lambo ny kristiana protestanta. Izy dia nanaraka ny ohatra nasehon’ny Tompo Jesosy, Izay nangataka tamin’ny Rainy ho an’ireo nampijaly Azy, teo amin’ny hazofijaliana, hoe : „Mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).

Tsy nanoratra izy hoe : „Andriamanitra mamela heloka”, fa hoe : „Andriamanitra mamela ny helokao”. Io „ianao” io dia miantefa amin’ny olona rehetra, ary indrindra amin’ny olona tsirairay mbola tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra.

Andriamanitra dia fitiavana, ary vonona hamela ny fahotan’ny rehetra. Nefa kosa tsy maintsy miaiky fa mpanota, ary manaiky handray ny fahasoavany ! Omena izay mangataka izany io fahasoavana io, nefa tsy terena izay mandà tsy handray azy.

Mbola andron’ny fahasoavana izao, andro mbola haharetan’Andriamanitra. Tsy ho ela dia hikatona ny varavarana (Matio 25:11). Ho tara loatra, raha amin’izay vao hamaly ny fitiavan’Andriamanitra. Ianao izay namaky izao takelaka izao, tompon’andraikitra ianao eo anatrehan’Andriamanitra. Raha tsy namaly ny fanolorany famelan-keloka ianao, dia hotsarain’i Jesosy, Ilay nolavinao. Inona àry no tokony hatao ? „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).