Asabotsy 9 Jolay 2022
Tsy misy tsiny ny lalànan’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy ; mahatoky ny teny vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo ; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso. Salamo 19:7, 8
Ao amin’ny fizarana faharoa amin’ity salamo ity, ny „lalànan’i Jehovah”, na hoe ny Teniny, dia mampiseho ny halehiben’Andriamanitra, satria mamaly tanteraka ny zavatra ilain’ny olombelona. Fijoroana ho vavolombelona, didy, baiko, fitsarana, miara-mifamatotra amin’ny anaran’i Jehovah avokoa, dia miasa eo amin’ny mpino ary manova azy : „Fa efa teraka indray ianareo… tamin’ny… tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” (1 Petera 1:23). Ny voary dia manome voninahitra an’Andriamanitra Mpahary, ary toy izany koa ny „lalàna”, ampiarahina amin’ny anaran’i „Jehovah” (Ilay mifandray amin’ny olombelona).
Ambara fa lavorary ny Tenin’Andriamanitra, tsy misy tsiny na fahalemena, ary avy amin’Andriamanitra fa tsy avy amin’ny olona. Io teny io dia „azo antoka”, „mahitsy”, „madio”, izy io no fahamarinana. Ireo „fitsipika” dia ambara fa „mahitsy avokoa”, satria mifameno ny fizarana samihafa ao amin’ny Baiboly, mba hanome ny fahamarinana manontolo : „Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao” (Salamo 119:160 ; jereo koa 2 Petera 1:20).
Ny „lalàna” dia mahavokatra ihany koa. Tenin’Andriamanitra izy io, azo tamin’ny tsindrimandry, velona, mamelombelona, ary manome finoana ao amin’izay mandray azy : „Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17). Tsy dia hoe hanameloka no anjara asany, fa hanarina, hanafaka, ary hampianatra : izy dia manome aina, fahendrena, fifaliana, ary mampahiratra tsara. Izany no vokatra ateraky ny Tenin’Andriamanitra, ao amin’izay mandray azy am-panajana sy manaiky hampianariny : ahazoany „valiny lehibe” izany. Isika ve tsy mba maniry hahatsapa ny vokatsoany rehetra ?
(amin’ny heriny ny farany)