Zoma 8 Jolay 2022

Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra, sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa… ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay. Daniela 3:17, 18

Ny marina, matoky na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza. Ohabolana 14:32

 

Andriamanitra mahavonjy… ary na dia tsy izany aza…

Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, dia nanangana sariolona volamena lehibe ary nandidy ny olony rehetra hiankohoka eo anatrehan’izany. Nefa nisy tovolahy jiosy telo, natao sesitany tany Babylona, nandà tan-kerimpo ny didin’ny mpanjaka : tsy te hiankohoka afa-tsy eo anatrehan’Ilay tena Andriamanitra marina izy ireo. Tezitra mafy ny mpanjaka ka nandrahona hanipy azy ireo ao anaty lafaoro misy afo mirehitra, raha mbola mikiry mandà ihany izy ireo. Feno fatokiana sy fahamendrehana ny valintenin’izy telo lahy.

— „Andriamanitra… mahavonjy anay” : tsy nisalasala izy ireo fa Andriamanitra dia afaka mamonjy azy, nefa tsy fantatr’izy ireo raha izay no sitrapony. Na izany aza anefa, dia azony antoka fa Ilay Andriamanitra Izay tompoiny dia hanafaka azy ireo amin’ny fahasiahan’io mpanjaka tsy mino an’Andriamanitra io.

— „Ary na dia tsy izany aza” : Raha heverin’Andriamanitra kosa fa tsy tsara ny hiarovana azy ireo amin’ny fampijaliana, dia vonona izy ireo. Tapa-kevitra izy ireo tsy hivadika amin’Ilay Andriamaniny.

Ary navelan’Andriamanitra tokoa izy ireo hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mirehitra nohafanaina impito noho ny mahazatra. Nefa nomeny voninahitra ny finoan’izy telo lahy, ary tsy nafoiny izy ireo. Nanafaka azy ireo Izy, tsy tamin’ny lafaoro misy afo mirehitra anefa, fa tao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra. Niara-niseho tamin’izy telo lahy tao anaty lelafo ny fanatrehan’Andriamanitra, ka dia tsy may izy ireo. Vavolombelona nahita izany ny mpanjaka, ka tsy maintsy niondrika teo anatrehan’ny herin’Andriamanitra.

Ry kristiana, tsy fantatsika mandrakariva raha sitrapon’Andriamanitra na tsia ny hiaro antsika tsy ho azona fitsapana sasantsasany. Indraindray dia ilaina eo amin’ny fiainantsika ny „lafaoro misy afo mirehitra”, mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra. Afaka mahazo antoka anefa isika fa ao anatin’ny fitsapana dia hijoro eo anilantsika ny Andriamanitsika, ary ho Azy ny voninahitra (1 Petera 1:6, 7).