Alakamisy 7 Jolay 2022

Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany ? Ambarao, raha hainao. Joba 38:4

Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao. Hebreo 11:3

 

Tamin’ny voalohany

Manao ezaka be ny olona mba hahafantarany ny zava-miafina momba ny niandohany. Ara-drariny izany fikarohana izany, saingy midona amin’ny fetran’ny sain’ny olombelona. Ahoana moa no hahafahan’ny voary hahafantatra ny tsiambaratelo rehetran’ny Mpahary ?

Ny kristiana dia tsy mahatakatra kokoa noho ny hafa ny fomba namboarana izao tontolo rehetra izao. Nefa ny faharanitan-tsaina dia mampahalala azy fa izay zavatra rehetra misy dia tsy maintsy avy amina Mpahary hendry sy mahery. Tarihin’Andriamanitra ny faharanitan-tsaina mba hahatakatra izany, amin’ny alalan’ny finoana. Nandidy Andriamanitra, tamin-kery sy fahefana, dia nisy ny zavatra rehetra. Ny kristiana dia mino izay tenenin’Andriamanitra satria mahafantatra Azy, ary matoky Azy toy ny zanaka matoky ny ray aman-dreniny.

Ny fiandohan’ny bokin’ny Genesisy dia tsy tantaran’ny niforonan’izao tontolo rehetra izao tsy akory. Ny omen’Andriamanitra antsika ao dia fanoritsoritana mifanaraka amin’ny saintsika voafetra, maneho an-tsary ireo foto-kevitra ilaintsika ho takatra, ho amin’ny tanjona nokendreny, dia ny hampiharihary ny voninahiny sy ny fitiavany, mba ho voahodidina voary sambatra Izy, ho mandrakizay, voary sambatra sy natao afaka hahafantatra Azy.

Dieny eo amin’ny andalan-tsoratra voalohany, dia izao no ambaran’ny Baiboly : „Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”, ary tohizany hoe : „Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana”. Tsy nambara antsika izay mety nitranga teo anelanelan’io fiandohana io sy ny safotofoton’ny tontolo nanaraka izany. Zavatra iray ihany no mitoetra : tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary. Avy eo dia lazaina ny antsipiriany momba ny endriky ny fahariana ankehitriny, ny momba ny olombelona eto an-tany, izay ilaina ho fantatsika. Aza miandry hahatakatra ny zavatra rehetra… fa raha tsy izany dia tsy hino mihitsy isika !