Alarobia 6 Jolay 2022

Ianao no Andriamanitra Izay mahita. Genesisy 16:13

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17

 

Nikatsaka ny zavatry ny tany sady tsy nino an’Andriamanitra, nefa tonga amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy

„Manontany ahy ny dikan’ny fiovam-poko ianao ? Inona no hitako tamin’izany ? Niova ve ny fiainako ? Tsotra sady fohy ny valinteniko : niova avokoa ny zavatra rehetra tato anatiko sy nanodidina ahy. Tsara kokoa noho izany aza, fa nony nahita an’Andriamanitra aho vao nanomboka niaina !”

Izany no nosoratan’i Tatiana Goritcheva (mpampianatra filôzôfia marksista fahiny), taona vitsivitsy lasa izay, ho an’ny iray tamin’ireo namany. Ary any amina taratasy hafa dia hoy izy :

„Sasatra aho, ary efa saiky tsy nisy zavatra nahaliana ahy intsony, nanao ireo fanazaran-tenako tamin’ny yoga… Talohan’io fotoana io aho dia mbola tsy nivavaka izany, tsy nahalala na vavaka iray aza. Kanjo indro fa nisy iray tamin’ireo boky-na yoga, nanolo-kevitra ahy hanao fanazaran-tena amin’ny „Rainay Izay any an-danitra”, ilay vavaka nampianarin’ny Tompo. Nanomboka namaky izany aho, tsy nisy fihetseham-po, toa nandeha ho azy fotsiny. Rehefa avy namaky azy inenina teo ho eo aho, dia toy ny nivarahontsana tampoka. Tsy ny saiko ihany, fa ny tenako manontolo mihitsy no nahatakatra fa misy Izy, Ilay Andriamanitra velona, manokana, Izay tia ahy ary tia ny olona rehetra. Io Ilay Andriamanitra nahary izao tontolo izao ary tonga olona noho ny fitiavana, tao amin’i Jesosy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana sy nitsangana tamin’ny maty. Tao anatina segondra iray, dia niharihary tamiko ny „zava-miafina” momba ny finoana kristiana, mbamin’ny tena fiainana sy ny toerako eto amin’izao fiainana izao. Tena voavonjy marina aho.

Niova avokoa ny zavatra rehetra tato anatiko. Tsy vitan’ny hoe nailiko izay rehetra nanan-danja tamiko teo aloha, ireo nataoko ho filamatra, fa toy ny hoe nandao ahy koa ireo fahazarako taloha sy ireo toetra miavaka nananako. Ary farany dia nisokatra ihany koa ny foko, ary nanomboka nitia ny olona aho, nanomboka nahatakatra ny fijalian’izy ireo, ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tsirairay amin’izy ireo.”