Talata 5 Jolay 2022

Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, ary ny faran’ny hafaliana dia alahelo. Ohabolana 14:13

(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo. Jaona 16:24

 

Ao ambadiky ny fiseho ivelany

Nisy manamboninahitra iray tao amin’ny tafika, tena tian’ny vahoaka satria be hatsikana sy mahay miteny. Mamalifaly ny andiany manontolo izy amin’ny hanihany mahafinaritra ataony, izay mampitokelakelaka fatratra. Toa tsy mety lany ny hevitra ao an-tsainy ; mandeha vetivety ny fotoana rehefa miaraka aminy. Tamina takarivam-pikoranana iray, tamin’ny olona rehetra nasaina dia mbola izy indray no namiratra sy nampifaly indrindra.

Ny ampitso maraina anefa dia hita maty teo ambony fandrianany izy, nitifi-tena tamin’ny basy poleta. Dia fiseho ivelany fotsiny ihany ve izany ny fifaliana mitafotafo nasehony teo anatrehan’ny hafa, nandritra izay taona marobe izay ?

Ny fifaliana ivelambelany dia mety hivadika haingana ho alahelo. Indraindray ny fihomehezana dia saron-tava anaovan’olona iray miandrandra fiadanana sy tena fifaliana, nefa tsy mahita izany. Ny hany fomba hahazoana ny fiadanan’ny fo sy saina dia ny manatona an’i Kristy, Ilay Mpamonjy sy Tompo. Ireo izay mametraka ny finoany aminy, dia omeny fifaliana sy fiadanana tsy hain’iza na iza esorina.

Hoy ny Tompo Jesosy : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Talohan’ny nandaozany ny tany mba hiakatra any an-danitra, dia nampahery ny mpianany Izy, niteny hoe : „Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo” (Jaona 14:27).