Alatsinainy 4 Jolay 2022
Hoy Tomasy taminy : Tompoko, tsy fantatray izay alehanao ; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana ? Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:5, 6
Jesosy dia lehilahy niaina tany Palestina, taonjato roapolo lasa izay. Teraka tao amina ankohonana mahantra Izy, ary mpandrafitra no asany. Mahalala Azy ny mponina tao amin’ny tanàna nonenany nandritra ny fahatanorany manontolo, mahafantatra hoe iza ny ray aman-dreniny, ireo rahalahy sy anabaviny (Matio 13:55, 56). Amin’izany lafiny izany Izy dia mitovy amintsika rehetra.
Jesosy anefa dia hafa. Hafa Izy satria Izy no olona hany tsy nanana ota mihitsy, tsy nahitana faharatsiana. „Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota ?” (Jaona 8:46), hoy Izy nanontany ireo izay nanohitra ny hafatra nentiny.
Jesosy dia tsy manam-paharoa ihany koa, satria Izy no lazaina faminaniana mihoatra ny 300 ao amin’ny Testamenta Taloha (voasoratra 1500 taona ka hatramin’ny 400 taona talohan’ny nahaterahany). Ireo filazantsara (izay mitantara ny fiainan’i Jesosy) dia manambara fa nizotra araka izay nilazana azy mialoha ny zavatra rehetra : ny nahaterahany avy tamina virijina, ny toerana nahaterahany, Betlehema, niainany ny fahazazany, Egypta, ny nivadihana taminy, ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, ny nitsanganany velona indray. Fifanojoana marobe !
Tsy manam-paharoa Jesosy, satria avy any ambony, avy any an-danitra. Tsy manam-paharoa ireo teniny, mampitolagaga ny fitiavany.
Manontany tena angamba ianao hoe : „Nahoana moa no hino an’i Jesosy ?” Dia hovaliako hoe : mba hivoahana tao amin’ny zavon’ny fisalasalana, sy hanatonana Ilay niteny hoe : „Izaho no fahamarinana” (Jaona 14:6). Nefa ambony lavitra kokoa noho izany : rehefa nino an’i Jesosy aho, dia nahazo antony hahavelomako. Satria aho nafahana tamin’ny fanamelohana sahaza ahy, dia fantatro ankehitriny izay alehako : mankany amin’i Jesosy, tsinjo mahatretrika aoka izany.