Alahady 3 Jolay 2022
Endrey ny halalin’ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany ! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina ! Fa iza no nahalala ny sain’i Jehovah ? ary iza no mpanolotsaina Azy ? … Fa Izy no niavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony ; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Romana 11:33-36
Ny drafitr’Andriamanitra
Mitolagaga isika amin’ny famirapiratana mandrakizain’
Ireo drafi-pitiavan’Ilay Andriamanitra lehibe Mpanavotra,
Manatanteraka fahariana vaovao,
Araka ny fikasan’ny fony.
Talohan’ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao,
Dia efa teo anatrehan’ny masonao Ilay Zanak’ondry Izay Andriamanitra,
Ry Ray mandrakizay ! Fahendrena lalina izany,
Fihevitra feno zava-miafina !
Nanolotra ny tenany Jesosy, ho sorona lavorary ;
Nanao fampihavanana tamin’ny rany teo amin’ny hazofijaliana Izy ;
Izay manatona amin’ny alalany dia mihaona amin’Ilay Andriamanitra mpamindra fo,
Ary raisinao ao amin’i Kristy.
Izao tontolo rehetra izao, mbola ao anatin’ny fijaliana,
Tsy ho ela dia ho afaka misitraka ny fahafahana ;
Kristy no antok’izany fanafahana izany,
Fanafahana amina ziogan-java-poana.
Ry Andriamanitra, zava-drehetra ao amin’ny olona rehetra, fanantenana mahatretrika !
Ry antoky ny fiadanana faratampony ao amin’ilay tanàna masina !
Hofenoinao amin’ny fanatrehanao ny olonao,
Rehefa tonga ilay andro tokana haharitra mandrakizay.
Dieny etỳ an-tany izahay, eto am-pitsaohana
Ilay Zanak’ondry mpandresy sy feno voninahitra ho mandrakizay,
Dia midera Anao, ry Andriamanitray, ry Rainay,
Noho ny fanomezanao mahatalanjona.
P. Diedrichs