Asabotsy 2 Jolay 2022

Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Ny andro samy miteny amin’ny andro mandimby azy. Ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy. Tsy misy teny na fiteny anefa ; tsy re izay feony. Salamo 19:1-3

 

Feo tsy misy teny : ny feon’ny voary (1)

Salamo 19:1-6

Hatao ahoana ny tsy hitolagaga mahita ny masoandro miposaka eny an-tendrombohitra ! Raha mbola alina ny andro, dia mamirapiratra ao anatin’ny tsio-drivotra madio ireo kintana. Avy eo, eny amin’ny faravodilanitra dia misy tara-pahazavana malefaka mipoitra ary mitombo tsikelikely, mandra-pisehon’ilay fahazavana miendrika volantsinana, mandoaka ny zavona. Dia miposaka ny masoandro, kanto aoka izany, mandrakotra ny zava-drehetra amin’ny hazavany, ary vetivety aorianan’izany, amin’ny hafanany. Sehon-javatra toy izany dia miresaka an’Andriamanitra amintsika, araka ny lazain’ny Salamo 19 :

„Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra” : ny fidadasiky ny lanitra, ny kintana tsy hita isa dia akon’ny halehiben’Andriamanitra, sy akon’ny zavatra nataony : „ny asan’ny tànany”.

Fiteny mangina izany : „Tsy misy teny na fiteny anefa…” saingy re ny feony, feo mandona antsika ao anatintsika lalina ao !

Omena tsy tapaka izany hafatra izany, ao anatin’ny andro sy ny alina mifandimby, ary natao ho an’ny olona rehetra, „hatrany amin’ny faran’ny tany”.

Rehefa mipoaka ny andro, dia ny masoandro irery ihany no hita eny amin’ny lanitra, satria mampanjavona ny kintana ny hazavany. Toy ny mpiasa mihetsika miasa izy, mankatò ireo lalànan’Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona miafina amin’ny hafanan’ny masoandro : mandrotsaka hazavana sy aina eto an-tany izy, ka manaporofo tsy misy fiafarana na fetra ireo soa ataon’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 14:17).

Ny voary dia miteny amin’ny olona rehetra, manomboka amin’ny zaza ka hatramin’ny antitra, manomboka amin’ny tsy manam-pahalalana indrindra ka hatramin’izay manam-pahaizana indrindra. Ary izany feo izany dia mahatonga ny tsirairay ho tompon’andraikitra mba hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hisaotra Azy (Romana 1:20).

(amin’ny heriny ny tohiny)