Zoma 1 Jolay 2022
Jesosy… dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ny tànan’ny olona tsy tan-dalàna. Asan’ny Apostoly 2:22, 23
Tsarovy Jesosy Kristy, Izay natsangana tamin’ny maty. 2 Timoty 2:8
Vao nasaina nesorina tsy ela ny hazofijaliana iray teo amin’ny kianja-na tanàna kely any Bretagne (Frantsa). Tany an-toeran-kafa indray dia nisy trano fivarotana lehibe nanamboatra ny sary amin’ny fonosan’entany sasantsasany, mba hanesorana ny sary-na hazofijaliana…
Dia ho manelingelina ve ny hazofijaliana ?
Na izany na tsy izany, dia ametrahany fanontaniana isika rehetra. Izy no lohahevitra ivon’ny Filazantsara. Nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ny mpino tany Korinto izany : „Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana” (1 Korintiana 2:2). Fa iza moa Jesosy, ho ahy ? Lehilahy maty maritiora ve ? toy ny marobe hafa niharan’ny hasiahan’ny olona. Sa Ilay Mpamonjiko ? Ilay Zanak’Andriamanitra, maty noho ny fahotako ary nitsangana tamin’ny maty mba hahamarina ahy eo anatrehan’Andriamanitra.
Tena zava-dehibe ny misaintsaina izany fanontaniana izany. Ny hazofijaliana dia mametraka antsika eo anatrehana safidy lehibe fototra, izay manoro ny lalan-kizorana eo amin’ny fiainantsika sy mamaritra ny hoavintsika mandrakizay. Jesosy dia Ilay Zanak’Andriamanitra ; tonga olona Izy mba hanolotra ny ainy ho sorona, mba hitondra ny fahamelohantsika tsirairay. Saingy izay mino Azy ihany no voavela heloka. Ny hafa dia handalo fitsarana eo anatrehan’Andriamanitra, ka hohelohina.
Izay tsy miraika, mihevitra ny tenany ho tsy voakasika, dia hatao anisan’ireo nanombo an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Aza manandrana mamafa tsy ho ao an-tsainao ny fahatsiarovana ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana, satria ho anao ihany koa no nahafatesan’i Jesosy !