Alakamisy 30 Jona 2022
Fa fantatry ny velona fa ho faty izy. Mpitoriteny 9:5
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17
„Tsy hoe ho faty isika, fa miha maty”. Izany fiteny-na filôzôfa iray izany dia manery antsika hitandrina ny fitanisana ny matoanteny. Amin’ny heviny iray, dia eo mandrakariva ny fahafatesana, ho an’ny olombelona, amin’ny fitanisana ankehitriny. Raha ara-biolojika mantsy, dia miha maty isika, amin’ny fotoana rehetra, eo amin’ny fiainantsika. Saingy tsy eritreritra tiantsika hovolena izany, satria ho avy ny andro hahafatesantsika tokoa. Ao anatin’ny fiarahamonina misy antsika dia natao ny zavatra rehetra mba hanadinoana io fiafaran’ny fiainana io. Mandrera-tena amin’ny asa, miparitaka manao zavatra maro, manary dia amin’ny fialamboly… Nefa ny olona dia „tsy maintsy hoentina ho amin’ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra” (Joba 18:14). Na dia mitombo aza ny salan-taona ahavelomana, any amina firenena maro, dia tsy manan-kery hatrany ny olona manoloana ny fahafatesana, ary tsy afaka misoroka izany. Mampihorohoro izy, ho an’izay tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra. Izany no antony ialana tsy hieritreretana azy.
Fa mifanohitra tanteraka amin’izany kosa ny heverin’ny mpino, izay mahafantatra fa efa resy ny fahafatesana : „Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika… nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana” (2 Timoty 1:10). Aminy dia torimason’ny vatana izany, fa ny fanahy kosa dia efa raisina ho eo anatrehan’ny Tompo. Afaka miteny ny mpino hoe : „Aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena, fa ny hitoetra any amin’ny Tompo” (2 Korintiana 5:8). Mahatsapa izy fa mihaosa isanandro ny vatany, nefa ampaherezina izy ary afaka mitoky amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra : „Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko” (Salamo 23:4).