Alarobia 29 Jona 2022

(Hoy Jesosy :) Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Jaona 6:37

 

Tsy aloha loatra, na oviana na oviana

Mpitsabo mpanampy aho, tia miresaka an’i Jesosy sy ny fitiavany, eo am-panatontosana ny asako. Hoy ny marary iray tamiko, indray andro :

— Tsy ho tia ahy Jesosy : olona ratsy loatra aho. Nefa manantena mafy aho fa tsy ho faty izao ankehitriny izao.

— Manantena izany koa aho, nefa raha voalamina haingana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiainana, dia haingana araka izay koa ny maha feno amin’ny fiadanana omen’i Jesosy. Tsy fantatrao angaha ny tantaran’ilay jiolahy nohomboana teo anilan’ny Tompo Jesosy ?

Tamin’izay fotoana izay no niditra ny vadiny. Nony hitany tsy nahazo aina ralehilahy vadiny, dia hoy izy tamiko :

— Tsy tiako resahina fivavahana ny vadiko, fa manakorontana azy izany.

Telo andro taorianan’izay dia maty ilay marary. Tatỳ aoriana aho dia nifanena tamin’ny zanany lahy, izay nilaza tamiko hoe : Mba ho naniry hihaona aminao indray ny raiko, nefa tsy navelan’ny reniko. Voatery aho namaky imbetsaka taminy ny tantaran’ilay jiolahy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Tsy reraka mihitsy izy nihaino an’io. Ny alahady maraina dia hoy izy tamiko : Anaka, ankehitriny dia milamina ny zavatra rehetra, feno fiadanana ny foko. Nentin’i Jesosy ny fahotako. Ndao isika hiara-misaotra Azy. Dia nivavaka niaraka tamiko izy. Fotoana fohy taorianan’izany dia lasa tam-piadanana izy.

Ianao ve efa namaky ny tantaran’io jiolahy niara-nohomboana tamina jiolahy iray hafa io, niaraka tamin’i Jesosy ? Ilay iray nanaraby an’i Jesosy, fa hoy kosa ilay iray taminy : „Moa ianao koa tsy mba matahotra an’Andriamanitra, na dia izao samy voaheloka izao aza ? Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ny nataontsika isika ; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety, na dia kely akory aza. Ary hoy izy : Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao. Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:40-43).