Talata 28 Jona 2022
Nandray ny tenin’Andriamanitra… ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa. 1 Tesaloniana 2:13
Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. Jakoba 1:21
„Inona ny boky nanova ny fiainanao ?” Miverina matetika io fanontaniana io, ao anatin’ireo adihevitra na fandaharana iresahana literatiora. Mba hanehoana an-tsary ny hery mahatarika ananan’ny boky iray eo amin’ny sain’ny mpamaky, dia nisy niteny hoe : „Tantara iray dia afaka hahatonga anao tsy hihinana afa-tsy zavamaniry, na hampandao anao ny zavatra rehetra mba ho any Tanzania”. Nisy lehilahy mpanao pôlitika iray nanambara hoe : „Izaho dia vokatr’ireo boky novakiko”.
Mba efa namaky ny Baiboly ve ianao ? Mihoatra noho ny boky hafa rehetra, izy dia manana fahefana hanova ny fomba fijerintsika : Andriamanitra no miteny amintsika. Hoy Izy amintsika : „Izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko” (Isaia 66:2). Tsy hay vakina toy ny boky hafa izy. „Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona, no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy, dia isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy” (1 Korintiana 2:9, 10). Mila ny fanampiany isika, mba hahatakarantsika azy. Ny teniny, raha raisina ao anaty fo vonona hihaino, dia miteraka ny fanafahana ny fanahintsika ary manova antsika hatrany anaty lalina any.
Mihoatra noho izany, izy dia manana fahefana hanome antsika toetra vaovao. Nambaran’ny apostoly Petera izany : „Efa teraka indray ianareo… tamin’ny… tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” (1 Petera 1:23). Tamin’izany fahaterahana indray izany, ny mpino dia „tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” (2 Petera 1:4). Miova ireo zavatra mahasarika ny sainy, manjary hafa ireo antony manosika azy hanao zavatra ; ireo hetsika manentana azy dia mitodika any amin’Ilay lohahevitra ivon’ny Baiboly manontolo, dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay „loharanon’ny famonjena mandrakizay, ho an’izay rehetra manaraka Azy” (Hebreo 5:9).