Alatsinainy 27 Jona 2022

Nanony ny rivotra mahery Izy, ka nitsahatra ny onjan-drano. Dia faly ireo, satria nitsahatra izany ; ary nentiny ho amin’ny fitodiana niriny izy. Salamo 107:29, 30

 

Manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina

Tsara vakina : Marka 4:35-41 Sambokely iray, tao anaty fanginana, No misosa eo ambony farihy manga ; Mandroso moramora izy, Eo ambany lanitra tony sy madio. Tampoka teo anefa dia nitsoka ny rivotra, Nandroaka rahona mainty iray, Ary ny onja ningainy Dia nampangovitra, satria hariva ny andro.

 

Koa dia lehibe ny tebitebin’ Ireo mpandeha nivadi-po ; Lehibe koa ny fahalemeny, Tsy nahatohana azy intsony ny finoany. Nefa misy Iray miambina Azy rehetra ireo, na dia matory aza. Oadray ! Tokony hofohazina ve Izy ? Tsy Izy intsony angaha no Ilay sakaizany tian’izy ireo indrindra ?

 

Mpampianatra ô, dia tsy ahoanao ve ? Hitanao fa ho faty izahay ! Hainao atao ny fahagagana rehetra, Mangataka aminao izahay, mba vonjeo re ! Nanatona azy ireo avy hatrany Izy, Ary niteny tamin’ny rivotra hoe : Mangìna ! Sy nibedy azy ireo tam-pitiavana Noho ny hakelin’ny finoany.

 

Toy izany, matetika eo amin’ny fiainana Dia mampanjombona ny fontsika ny oram-baratra, Na dia mivavaka ho antsika aza Jesosy, Vonona hampitony ny horohorontsika. Ndao hiantehitra kokoa amin’ny halemem-panahiny : Tsy hahay hiova mantsy ny fony ; Izy hatrany no Ilay Mpiandry Ireo ondriny ao anaty tebiteby.