Alahady 26 Jona 2022

(Hoy Jesosy :) Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Jaona 14:2

Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra. 1 Jaona 3:1

 

Vahiny sa zanaka an-trano

Niandry vahiny aho tamin’ity hariva ity. Tamin’ny fotoana nifanarahana dia nandondòna izy. Nampandrosoiko izy ary nasaiko niditra tao an’efitrano fandraisam-bahiny ; tao izahay no niresadresaka nandritra ny fotoana kely, teo am-pisotroana kafe. Nandritra izany dia nisy namoha ny varavarana : nody tao an-trano ny zanako lahy avy nianatra. Napetrany tany an’efitranony ny entany, nankany an-dakozia izy, nanokatra ny vata fampangatsiahana ary nipetraka nihinana ody am-bavafo.

Avy eo izy dia nivezivezy eran’ny trano sady nihirahira, nanokatra sy nanidy varavarana. Nanao „toy ny any an-tranony” izy : ao an-tranony izy !

Rehefa afaka kelikely dia lasa ilay vahiniko. Nateriko teny am-baravarana izy, dia nohidiko ny trano. Any an-toeran-kafa izy no mipetraka, tsy manana ny fanalahidy, ary tsy tonga atỳ amiko raha tsy mampandre.

Nampieritreritra ahy ny fahasamihafana goavana eo amina vahiny sy zanaka an-trano. Ilay vahiny dia eo mandritra ny fotoana voafetra, avy eo mandeha. Ny zanako kosa mipetraka ato an-trano, ato ny entany, miditra sy mivoaka araka izay tiany izy.

Ry kristiana, noho ny finoana an’i Jesosy Kristy dia manana izany toerana manokana maha zanaka izany isika, eo akaikin’Andriamanitra Raintsika. Ny lanitra, izay fonenany, no tranontsika, no ’’any amintsika’. Amin’ny fotoana rehetra na andro na alina, dia Jesosy Kristy no fanalahidy ahafahantsika miditra ao an-trano sy misitraka ny zavatsoa ao. Miaina toy ny vahiny ve isika sa toy ny zanaka an-trano ? Isika ve mamangy tsindraindray Ilay Raintsika, sa miditra am-patokiana eo akaikiny ? Haintsika ve ny manararaotra ny manodidina iainana ao an-tranony, ny fiadanam-po sy ny fitiavana manjaka ao ? Ao ve isika no miala sasatra sy mahatsapa ho ao an-tranontsika ?