Asabotsy 25 Jona 2022
Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara. 2 Timoty 3:1-3
Izao lahatsoratra manaraka izao dia nivoaka tao amin’ny sokajy „Hafatra manokana”, ao amina gazety iray mpiseho isanandro :
„Ry havako malala, malahelo aho noho ny zavatra nitranga. Manenina amin’ny nataoko aho, ary maniry hiala tsiny aminareo. Miangavy anareo aho, mamelà ahy ary aza matahotra ahy. Mba antsoy aho, azafady, fa mila anareo ; tia anareo aho. Ranona havanareo.”
Inoana marina fa nisy zava-doza ara-pianakaviana nitranga, tao anatin’ny manodidina iainana fariparitan’ny andinin-tSoratra Masina voatanisa etsy ambony : fitiavantena, hatezerana, fifandirana, herisetra. Tranga tokana aman-tany ve izany ? Tsia, indrisy ! Mitatitra tsy tapaka toejavatra toy izany ny haino aman-jery. Mirongatra ny herisetra any an-tsekoly, eny an-dalana, na aiza na aiza toerana iarahan’olona miaina. Na eo amin’ny sehatra kelin’ny fianakaviana aza, izay mba tokony hanjakan’ny fitiavana sy ny filaminana, dia misy matetika loatra ny fankahalana sy ny herisetra.
Afaka ho hafa noho izany ve ny toejavatra, ao anatina tontolo tsy mila an’Andriamanitra ? Na ireo lalàna, na ireo ezaka atao eo amin’ny sehatra ara-piarahamonina, dia tsy afaka hitondra ny tena fanafana amin’izany. Fiovam-po tanteraka irery ihany, avy amin’ny aim-baovao omen’Andriamanitra, no mahay mamokatra ireo fepetra hahafahana miara-monina tsy misy fifankahalana na tahotra.
„Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao : Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany… Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po” (Galatiana 5:19-23).