Zoma 24 Jona 2022

Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy, amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana. Efesiana 6:18

Mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Jakoba 5:16

 

Fe-potoanan’ny valim-bavaka (4)

Ireo vavaka nojerentsika tato ho ato dia nahazo valiny tamina fotoana samy hafa be, nanomboka tamin’ny segondra vitsivitsy ka hatramin’ny am-polon-taonany maromaro. Ireto misy fanamarihana vitsivitsy, ho famintinana :

— Rehefa mivavaka isika, dia ho hain’Andriamanitra mandrakariva ny mahatonga ny valim-bavaka amin’ny fotoana voafaritra mazava ilantsika izany.

— Misy ireo toejavatra ao anatin’ny hamehana, ka tsy ahafahantsika mitokana mba hivavaka, sy tsy maintsy atrehina eo no ho eo, satria tsy nampoizina. Ampy ny mibanjina am-pinoana an’Andriamanitra !

— Ireo vavaka ataontsika dia mety hanana toetrana ady, mba hahasoa mpino iray na maromaro, na hahasoa ny Fiangonana, ary mahery vaika i Satana indraindray manohitra ny famaliana izany. Nefa Andriamanitra hatrany no tompon’ny teny farany. Aoka isika hanana faharetana, ary tsy hitsoaka ny ady !

— Mety hizaha toetra ny finoantsika Andriamanitra. Ela ny valiny, ary mbola andrasana ihany, ka mety heverintsika aza indraindray fa toa nanadino antsika Andriamanitra. Tsy izany mihitsy, fa ny faharetantsika sy ny fikirizantsika dia manome voninahitra an’Andriamanitra. Toa an’i Abrahama, dia aoka isika hanohy hino, na dia toa tsy misy antenaina intsony aza…

— Raha resy lahatra isika fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ireo fampanantenany ny vavaka ataontsika, dia aoka isika tsy ho kivy, fa manana ny valiny tandrify Andriamanitra, ary ho azontsika ny zavatra nampanantenaina.

Na oviana na oviana Andriamanitra tsy mampiandry antsika tsy amin’antony, fa mampifanaraka ny valim-bavaka omeny amin’ny toejavatra tsirairay, am-pahendrena sy an-kamoram-po, mba hahasoa antsika sy ho voninahiny.