Alakamisy 23 Jona 2022

Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena. 2 Korintiana 6:2

Mihainoa ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo. Jeremia 26:13

 

Aza miandry ho tara loatra

— Tsia, tsy misy afo ato, hoy ity lahiantitra nihifikifi-doha, sady nitazana teo am-baravarankelin’ilay trano lehibe nipetrahany. Ny mpandeha an-tongotra nandalo anefa nihorohoro nahita setroka matevina tao ivohon’ilay lehilahy. Niantsoantso mafy izy ireo :

— Tena misy zavatra mirehitra ao !

Tsy niherika akory anefa ilay lehilahy. Tsy nomeny lanja ny antson’izy ireo, ary tsy naheno ny fofon’ny afo izy. Ny sasany niantso ny mpamonjy voina tamin’ny findainy, ny hafa kosa nikiakiaka sy nandondòna tao amin’ireo mpiray vodirindrina, niezaka hanatratra azy. Nisy mpiray vodirindrina iray hafa, tsy niraika toy izany koa : nahoana no mihotakotaka toy izao ? Nahoana no taitaitra be ?

Nilomay niditra tao amin’ilay trano ny mpamonjy voina, mba tsy hisy zavatra simba bebe kokoa, ary nitondra ilay lehilahy teny ivelany. Saika nahatratra azy ny lelafo, na dia nanamafy aza izy fa tsy misy na inona na inona. Mpisotro toaka ilay lehilahy, ary mamo be ka tsy nahatsapa akory ny loza nezahina mafy dia mafy natoro azy.

Te hiresaka loza iray hafa izahay. Hiverina Jesosy. Ho diso aoriana loatra, raha amin’izay vao handray Azy ho Mpamonjy. Izao ankehitriny izao no tokony handray ny fanapahan-kevitra ahafahana misoroka ny fijalijaliana mandrakizay. Zava-mampihoron-koditra ny mahita fa olona maro aoka izany no misafidy hanamaizina ny fanahiny amin’ny ota, ary tsy mahita loza akory amin’izany, na inona na inona. Raha mba te hihaino ny fampitandreman’Andriamanitra mantsy ny tsirairay, mba ho voavonjy !

Minoa an’i Jesosy Kristy, fa te hahasambatra anao Izy.