Alarobia 22 Jona 2022
Tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina ; ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20
„Izany no marina amiko”, hoy ny fiteny, na : „Samy manana ny ataony ho marina”. Nefa mbola fahamarinana ihany ve, raha fahamarinana tsy marina afa-tsy ho ahy ?
Misafotofoto ve ny fifandraisantsika amin’ny fahamarinana ? Mihevitra ve isika fa tsy hay takarina izany, toy i Pilato namaly an’i Jesosy hoe : „Inona no marina ?” (Jaona 18:38), ary tsy niandry ny valiny akory ? Mbola azon’ny rehetra raisina anefa ny fahamarinana. Ao anatin’ny Baiboly no ahitantsika azy. „Ny Teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17), hoy Jesosy, niresaka tamin’Andriamanitra. Angamba isika mamita-tena momba ny maha isika antsika. Ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa ny olombelona rehetra dia tsy mankatò ny sitrapon’Andriamanitra, ka mila famelan-keloka. Angamba isika diso hevitra momba an’Andriamanitra, ka miteny hoe : Andriamanitra tsara fanahy Izy, mamela ny heloka rehetra fa tsy mitaky na inona na inona. Na mieritreritra hoe : Andriamanitra dia lavitra sy tsy hay hatonina.
Ny Baiboly dia milaza amintsika izay marina : Andriamanitra dia marina ary mpamonjy. Taominy ny tsirairay hitodika aminy, mba handray ny famelan-keloka atolony maimaimpoana ho an’izay mino ny lazainy. Andriamanitra dia „tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”. Marina momba ny maha izaho ahy…, ary mihoatra lavitra noho izany, marina momba ny Zanany, „dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:4-6). Nomen’Andriamanitra saina isika mba hahafantatra an’i Jesosy sy ny asany mahavonjy antsika. „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”, hoy Izy amintsika (Jaona 14:6).