Talata 21 Jona 2022
(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohaina ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo ; ary izay mitady no mahita ; ary izay mandondòna no hovohana. Matio 7:7, 8
Hitantsika omaly ny nahatonga ilay tovolahy Bengali hiditra tao amina trano fiangonana, nony farany, mba hahita valiny amin’ireo fanontaniany. Ndao henoina ny tohiny :
„Hoy aho anakampo : mitantara ny tantarako ity lehilahy ity. Koa raha vao nifarana ny fivoriana, dia nilomay aho nanontany azy hoe :
— Ahoana no ahafantaranao ny tantaram-piainako ?
Somary sanganehana ilay olona niresaka tamiko, ary tampoka teo dia nihiaka hoe :
— Izao vao azoko hoe nahoana Andriamanitra no tsy namela ahy hitory ny hafatra efa nomaniko. Tsy nitsahatra aho nahare toa feo niteny tamiko hoe : „Aza izany hafatra izany no torina, fa aleo ny fiainan’i Josefa no resahina”. Intelo no tonga tao an-tsaiko izany eritreritra izany, ka nankatò aho, nony farany. Takatro ankehitriny fa ho anao izany. Notarihin’Andriamanitra ho eto ianao mba hahafantatra Azy.
Nandany adiny roa izahay niresaka ireo fanontaniana nanahirana ny saiko. Teo am-pihainoana aho dia tonga saina fa Jesosy no valin’ireo fanontaniako. Tonga teto amin’ity tontolo misy antsika ity Izy mba hamonjy antsika hiala amin’ny zavatra tsy misy dikany, ny hevitra adala, ny fanilihin’ny hafa, ary indrindra ireo fahadisoantsika. Ny harivan’io ihany aho dia nanondrika ny lohako ary nivavaka tamin’i Jesosy mba handraisako ny famonjena avy aminy. Taorianan’izany aho dia noroahina niala tao an-tranon’ny fianakaviako, nefa mahatoky ny Tompo. Tsy nandao ahy Izy. Nivavaka taminy tam-paharetana aho, mba hanana fotoana azoko hararaotina hampahafantarana ny Filazantsara amin’ny ray aman-dreniko ary ireo rahalahy sy anabaviko. Dia nifanarakaraka nanatona an’i Kristy avokoa izy rehetra.”
Pintu Hossain