Alatsinainy 20 Jona 2022
(Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy :) Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no… hanoro anao izay holazainao. Eksodosy 4:12
Ianao hilaza izay rehetra nandidiako anao. Eksodosy 7:2
„Teo anoloan’ny varavaran’ilay fiangonana kely vita amin’ny biriky aho. Nidobodoboka mafy ny foko. Tokony hiditra ao anatin’io fiangonana io ve aho ? Hanampy ahy hahita valiny amin’ireo fanontaniana nampiady saina ahy ve izany ?
Toy ny ankamaroan’ny Bengalis, dia nobeazina tao anaty finoana silamo aho. Mivavaka indimy isanandro aho, mifady hanina mandritra ny Ramadany, mankany amin’ny môsike, nefa dia mbola foana hatrany ny ato am-poko. Nahoana aho no mahatsapa tsy fahafahampo toy izany ? Nahoana ny fivavahako no tsy mitondra fifaliana ho ahy ? Nahoana aho no tsy mahafantatra hoe manao ny tsara ve aho, na eo aza ireo ezaka rehetra ataoko mba hivavaka sy hanaja ny fifadian-kanina ? Ary nahoana koa ireo rahalahiko no manilika ahy, toy ny ao amin’ny tantaran’io Josefa novakiko tao anaty Baiboly io ? Ka hiditra ao amin’ity fiangonana ity ve aho, sa tsia ?
Farany dia niditra aho. Niato tampoka teo afovoana fehezanteny ilay lehilahy niteny. Namerina niteny izy, avy eo niato indray. Nanomboka nitakoritsoka ny mpihaino. Nanohy fanintelony ny lahateniny izy, dia nangina tampoka. Adala io lehilahy io, hoy aho anakampo, sorena sady nihemotra nankeny amin’ny varavarana. Teo am-panokafana azy indrindra aho no niverina niteny ilay lehilahy, ary nitsatoka tao am-poko ny teniny : „Manao azafady aho, hoy izy niala tsiny, fa isaky ny hanomboka hiteny aho dia nahatsapa fa tian’Andriamanitra hiresaka lohahevitra hafa, tiany hiresaka mahakasika lehilahy iray ao amin’ny Testamenta Taloha antsoina hoe Josefa, izay namidin’ny rahalahiny”. Tamin’izay dia navotsotro ny famohana varavarana. Josefa hoe ? Ilay lehilahy nahaliana ahy ny tantarany ? Nipetraka aho ary nihaino.”
(rahampitso ny tohiny)