Alahady 19 Jona 2022

Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa ; hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina… Izaho no hifaly amin’i Jehovah. Salamo 104:33, 34

 

Ny fotoana farany niainan’i Haendel

Ao amin’ny tranon-drelijiozy ao Westminster any Londra, dia voasarika ny mason’ny mpitsidika hijery sary vongana tsara tarehin’i Haendel, ilay mpamorona mozika ngezalahy. Manoloana ny orga-ny ilay olo-malaza, ary mitazona taratasy-na feonkira ahitana ny teny tsotra notononin’ny patriarka Joba, taonarivo maro tany aloha, hoe : „Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy” (Joba 19:25). Talohan’ny nahafatesany, hono, dia nasain’io mpamorona mozika malaza io novakina taminy ny Salamo 91 : „Izaho hilaza an’i Jehovah hoe : Fialofako sy baterỳ fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako… Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao” (and 2, 5). Ny olona tsirairay manome voninahitra an’Andriamanitra amina fatokiana toy izany, dia lazainy hoe : „Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, dia hamonjy azy Aho ; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy” (and 14).

Mbola nangatahin’i Haendel hovakina koa ny „tokon’ny fitsanganan’ny maty” (1 Korintiana 15) ; imbetsaka ny mpamaky no nasainy niato, hoe : „Mijanòna kely hoe, avereno vakina amiko izay andininy izay”.

Ny teniny farany dia hoe : „Tompo Jesosy ô, raiso ny fanahiko. Mba ataovy miara-maty sy miara-mitsangana velona indray aminao aho.”

Tsy toejavatra maningana tsy akory ny fiafarana am-piadanana toy izany : ireo rehetra nametraka ny fiainany eo am-pelatanan’i Jesosy dia afaka miaina izany. Hoy Izy : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).