Asabotsy 18 Jona 2022

Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory… Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, ary notosany ny fatorany… Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, ary ny hidy vy nohenteriny. Salamo 107:13-16

 

Olona afaka sa gadra ?

Tamin’ny taona 2001 dia nisy mpanondrana rongony anisan’ny olon-dratsy mahery indrindra eran’izao tontolo izao, tafatsoaka avy tao amina fonja faran’izay tsara ambina, niafina tao anaty fiaran’ny mpanadio lamba ! Tamin’ny taona 2018 dia angidimby nidina teo an-tokotanin’ny fonja no nakan’ireo mpiray tsikombakomba taminy gadra iray mahavanon-doza. Maro ny fandosirana fonja mahatalanjona toy izany, ny sasany aza nanaovana sarimihetsika mihitsy.

Indraindray ny olona dia afaka mandositra ny fonja, na eo aza ny hidiny, ny fefiny, ary ny tilikambo fanaraha-maso. Fa misy kosa fonja iray tsy ahafahan’iza na iza mandositra, dia ny fonjan’ny ota, izay manidy ny olona tsirairay dieny izy vao teraka. Tsy manova na inona na inona amin’izany na ny toerana ara-piarahamonina na ny harena ; ho an’ny rehetra dia iray ihany ny antony iampangana : ny ota. Iray ihany koa ny sazy mihatra, dia ny fanamelohana mandrakizay.

Matetika isika no manamaivana ireo fahadisoantsika ary mihevi-tena ho olona mahitsy, nefa ny Baiboly dia milaza amintsika fa „samy efa nanota izy rehetra”, ary isika dia babon’ny „lalànan’ny ota” (Romana 3:23 ; 7:23). Hoy Jesosy : „Izay rehetra manota dia andevon’ny ota” (Jaona 8:34).

Te ho afaka amin’izany „fonja” ara-panahy izany ve ianao ? Ekeo àry fa mpanota ianao, ary raiso Jesosy ho Mpamonjinao, Izay afaka manapaka eo no ho eo izany fatotra izany. Dia ho afaka miaina fiainam-pahafahana ao amin’i Kristy ianao, araka ny Tenin’Andriamanitra manome antoka antsika momba izany : „Raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo” (Jaona 8:36). Ary manambara ny apostoly Paoly hoe : „Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana” (Romana 8:2).