Zoma 17 Jona 2022
Na dia efa tsy nisy nanantenana aza, dia nanantena ihany izy (Abrahama) ka nino… nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Romana 4:18-21
— Abrahama dia 75 taona teo ho eo, no nantsoin’Andriamanitra handao ny taniny sy ny fianakaviany, ary nomeny toky fa hanana taranaka maro. Nino izay nolazain’Andriamanitra izy. Nandeha anefa ny taona, ary mbola tsy nanan-janaka ihany izy mivady. Namoy fo tsy hiteraka intsony i Saraha… Koa nanapa-kevitra izy hanolotra an’i Hagara mpanompovaviny ho vadin’i Abrahama, ka hahazo amin’izany ny taranaka nampanantenaina (araka ny fanao tamin’izany fotoana izany). Teraka i Ismaela, 86 taona i Abrahama. Nandalo indray ny telo ambinifolo taona. 90 taona i Saraha, 100 taona i Abrahama, toa tsy misy antenaina intsony… Nefa dia notanterahin’Andriamanitra ny fampanantenany, ka farany dia niteraka an’i Isaka i Saraha. Dimy amby roapolo taona teo ho eo no nandalo, nanomboka tamin’ny nandraisan’i Abrahama ny fampanantenan’Andriamanitra. Nozahan-toetra ela ny finoany sy ny finoan’i Saraha, ary nandresy, ho voninahitr’Ilay Andriamanitra tsy mahay mandainga.
— Ny apostoly Paoly, mpanompon’Andriamanitra, mpanahaka an’i Kristy, dia nanoratra hoe : „Izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara”. Rehefa mitoriteny anefa izy dia nijaly noho ny kilema iray nanjo azy, ka nilazana hoe „tsinontsinona ny teniny”. Koa nanampy izy hoe : „Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo, mba hialan’izany amiko. Nefa hoy Izy tamiko : Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:8, 9). Eto dia fandavana no navalin’ny Tompo ny fangatahan’ny mpanompony, nefa dia nampanantenaina azy kosa ny fahasoavan’Andriamanitra. Tsy maintsy niaritra ny fanaovana tsinontsinona azy ilay apostoly, mba hamirapiratra kokoa ny herin’Andriamanitra, ao anatin’ny hafatra ampitainy, ary mba ho voaaro tsy hirehareha izy.
„Fa tokony hanana faharetana ianareo, mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra” (Hebreo 10:36).
(amin’ny heriny ny farany)