Alakamisy 16 Jona 2022

Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1

Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy (amin’Andriamanitra). Hebreo 11:6

 

Momba ny finoana

Ny finoana no foto-kevi-dehiben’ny fiainana kristiana, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Nohamarinina tamin’ny finoana isika, ary mivelona amin’ny finoana ; mijoro noho ny finoana isika, ary mandeha amin’ny finoana. Ny atao hoe mino dia ny miantehitra tanteraka amin’ny toetran’Andriamanitra tsy mety diso sy mahatoky, ny mihazona ny teny rehetra aloaky ny vavany ho marina kokoa noho izay rehetra tsapan’ny olombelona. Ny miankina amin’Andriamanitra tenany mihitsy dia zavatra hafa noho ny miankina amin’ireo fitahiana omeny. Tsy mila finoana mantsy aho mba hankasitrahako ny fitahiana, fa mila finoana kosa, mba hianteherako amin’Andriamanitra. Koa mba ho fanazarana ny finoako sy hianarako tsy hiantehitra afa-tsy amin’Andriamanitra, dia mety hesoriny amiko ny iray na maromaro amin’ireo fanomezany izay nianteherako. Tsy ny fahalehibeazan’ny finoantsika no zava-dehibe, fa ny halehiben’Ilay iankinan’izany finoana izany. Ny finoana dia mahatonga ny hoavy ho ankehitriny, ary mahatonga ny tsy hita maso ho hita. Ny finoana voazaha toetra dia finoana mihamatanjaka. Na oviana na oviana Andriamanitra tsy mandray ny finoana ho fahasahisahiana tafahoatra. Ny finoana no ho tompon’ny teny farany mandrakariva.