Alarobia 15 Jona 2022

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:9

Izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina. 1 Jaona 2:1

 

Mankahala fatratra ny ratsy ataon’ny tena

„Mbola tsy an’i Jesosy aho, tompoko !” Izany teny izany, hoy ny fitantarana misionera vavy iray, no nolazain-dRamatoa Wang, tonga teto amiko anikeheo maraina. Omaly anefa izy dia niaiky ireo fahadisoany ary nametraka ny fitokiany tamin’i Jesosy Kristy. Izao maraina izao izy dia nalahelo mafy, nandray ny tanako ary niteny hoe : „Mbola tsy afaka aho. Tsy niova ny fiainako. Mbola toy ny teo aloha ihany aho. Mbola manao ireo fahotako teo ihany aho. Mbola nangalatra mofo aho anikeheo maraina.”

Vao ampitson’ny niovany fo izany Ramatoa Wang dia nangalatra ! Nalahelo izy noho izany, ary tsy afaka mihevitra ny tenany ho kristiana intsony. Dia nanontaniako izy hoe :

— Tamin’ny ianao nangalatra teo aloha, nalahelo toy izao ve ianao ?

— Tsia dia tsia, arakaraka ny nahavitako nangalatra tsy nisy nahita no nampirehareha ahy.

— Tsy toy ny teo aloha intsony izany ianao. Tena niova ianao, satria tsy nirehareha intsony ianao rehefa nangalatra, fa vao mainka aza nalahelo tamin’izany. Satria nodiovina tamin’ny fahotanao ianao, ary nandray fiainam-baovao tamin’ny Fanahy Masina. Izy no mampahatsiahy anao ankehitriny fa tokony hanilika ny otanao ianao. Tsy afaka hiaina ao anatin’ny faharatsiana intsony ianao ary hanao izany ho fahazarana. Nanota ianao androany, lavo tamin’ny fakam-panahy. Zavatra roa samy hafa ny miaina ao anatin’ny ota sy ny manota !

Dia niaiky ny fahotany tamin’Andriamanitra Ramatoa Wang. Voavela heloka izy, ka nahazo hery avy amin’Ilay Andriamaniny mba hanao ny tsara, mba tsy hivadika amin’ny Tompo. Indray andro, dia henoko izy niteny hoe : „Ny ota nataoko tsy am-pisalasalana teo aloha dia mampahory ahy ankehitriny”.

(araka an’i Annie Skau)