Talata 14 Jona 2022
Jehovah no heriko sy ampingako ; Izy no nitokian’ny foko, ka voavonjy aho ; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy. Salamo 28:7
Jehovah Tompo ô ! … tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao. Jeremia 32:17
Raha mitsiry ao anatin’ireo eritreritsika ny fanahiana, toa voa ratsy, dia mitombo haingana ao ary manimba antsika mandrakariva. Tsipirian-javatra iray tsy misy dikany akory, indraindray, dia ampy hanafoana ny fifaliantsika.
Marina fa maro ny zavatra mety hampiady saina antsika, dieny vao maraina ! Olana kely na lehibe eo amin’ny fiainana andavanandro, tebiteby noho ireo loza mety hanjo ny olona akaiky antsika, fanahiana mahakasika fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisintsika na hihatra amintsika…, eritreritra maro aoka izany no mameno ny saintsika, mitoetra ao, ary manohintohina ny fiadanam-pontsika.
Nefa ve Andriamanitra anio tsy Ilay tsy miova ary nanafaka antsika omaly sy afakomaly ihany ? Ny zava-niainako dia mampiseho amiko fa Izy no hery ahafahako miroso hatrany sy ampinga miaro ahy amin’ny loza. Hohadinoiko ve izany ? Tsia, manapa-kevitra aho hatoky Azy, mba hahafoana ny tebiteby ao amin’ireo eritreritro. Izy ve tsy efa niteny tamiko ao amin’ny Teniny hoe : „Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6, 7) ?
Andriamanitra tsy mampanantena ahy hoe hanome ny vahaolana eo no ho eo, na hanatanteraka izay angatahiko aminy. Nefa miteny amiko Izy hoe mikarakara ahy lalandava, ary mahafantatra na dia ny isan’ny volon-dohako aza (Matio 10:30). Ampy ahy izany, fantatro fa tia ahy Izy, feno fahendrena, ary te hanasoa ahy.