Alatsinainy 13 Jona 2022

Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3

 

Antom-pahavelomana

Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, ilay mpitsabo aretin-tsaina antsoina hoe Carl Gustav Jung dia nanoratra hoe : „Ny olombelona dia tsy afaka hahazaka fiainana tsy misy dikany”. Izany fehezanteny izany dia tena mbola manankery ankehitriny. Ndao hiato mba hisaintsaina hoe inona, eo amin’ny fiainantsika, no manome dikany azy.

Indro fa nofoanana ilay tetikasa niasantsika efa elabe, fongana noho ireo zavatra tsy nampoizina ny tahiry mba voangontsika. Mahavery hevitra antsika ny fahafatesan’olona iray eo amin’ny manodidina antsika, ary mampahatsiahy antsika tampoka fa fohy sy marefo ny aina…

Angamba ianao efa nahare kristiana niteny hoe : „Andriamanitra no mampisy dikany ny fiainako”. Koa inona moa no tena dikan’izany ? Ny mpino dia mety handalo fahoriana maro, toy ny tsy mino, saingy manana fahazoana antoka kosa fa „ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28). Ahoana no hahatonga izany ? Satria Andriamanitra dia manana drafitra ho antsika tsirairay, ary ny toejavatra rehetra avelany hitranga eo amin’ny fiainantsika dia efa voasoratra ao anatin’izany drafitra izany. Raha matoky Azy isika, ka mamela Azy hitantana ny fiainantsika, dia hahatakatra ny antony maha eto an-tany antsika sy izay zavatra tehirizin’Andriamanitra ho antsika. Ho antsika tsirairay mamaky ireto andalana ireto, Andriamanitra dia manana „hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome antsika fanantenana ny amin’ny farany” (Jeremia 29:11). Aoka tsy holalovantsika fotsiny izany fampanantenana izany, ndao hihazona „ny tena fiainana” ao amin’i Kristy, ankehitriny sy ho mandrakizay (1 Timoty 6:19) !