Alahady 12 Jona 2022

Ny malalako dia… notsongaina tamin’ny alinalina. Tononkiran’i Solomona 5:10

Ny fanevany eo amboniko dia fitiavana. Tononkiran’i Solomona 2:4

 

Mpitondra faneva

Ny Tononkiran’i Solomona, izay boky ao amin’ny Testamenta Taloha, dia manome antsika sary mahafinaritra maneho ilay antsoiny hoe „malala”. Izy io dia mampahatsiaro ny tenan’ny Tompo Jesosy ao amin’ny hatsarany ara-toe-panahy sy ny halavorariny tanteraka.

Lazaina fa izy no ilay „notsongaina tamin’ny alinalina”, izany hoe ilay miavaka amin’ny rehetra eo anivon’ny vahoaka, satria mitondra ny faneva, karazana saina ahafantarana ny toerana misy azy sy ny tafika irafetany. Ao amina tafika, ny faneva dia famantarana ny mpanjaka, ary izay nomena voninahitra hitondra izany dia miavaka eo anivon’ny miaramila, noho io marika hita maso io, mariky ny fahefana faratampony.

Ny Tompo Jesosy dia niaina tetỳ an-tany tamin’ny maha „mpitondra faneva” lavorary Azy, nitondra ny fanevan’Andriamanitra : ny asany rehetra, ny teniny rehetra, ny diany rehetra dia samy nataony ho voninahitr’Andriamanitra avokoa, niresaka ny momba an’Andriamanitra, ary nanasongadina ny rohim-piombonany sy fiankinany amin’ny Rainy. Teo anivona vahoaka tsy mino ary mankahala ny hafatra nentiny sy ny fitiavany, dia Izy no Ilay „Andriamanitra tonga nofo” (1 Timoty 3:16). Rehefa nahita Azy namindra i Jaona Mpanao batisa, dia nilaza hoe : „Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29).

Ary ho antsika ankehitriny, io faneva io dia milaza fandresena azo avy tamin’ny ran’Ilay Mpamonjy antsika, Izay nitia antsika fatratra. Antsoina isika hitondra ny fanevany, hanara-dia Azy, hampiseho fa Azy, hampiseho fa Izy no lohantsika ary tiantsika, satria efa tia antsika taloha : „ny fanevany eo ambonintsika dia ny fitiavana”.