Asabotsy 11 Jona 2022

Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo. 1 Petera 1:22

 

Noho ny teninao

„Ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ny farihy Izy (Jesosy) ; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. Ary niditra teo amin’ny sambokely anankiray izay an’i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.

Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’i Simona :

— Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo, hahazoana hazandrano. Fa Simona namaly ka nanao hoe :

— Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona ; nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.

Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony… Ary rehefa hitan’i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy izy ka nanao hoe :

— Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho” (Lioka 5:2-8).

Miteny amintsika rehetra izany lahatsoratra ao amin’ny Filazantsara izany :

Raha mbola tsy mahalala manokana an’i Jesosy ianao, dia fantaronao koa, hoe iza moa Izy. Ny fahatsaram-pony sy ny fanehoany ny heriny dia niteraka ny finoana sy ny fibebahana tao amin’i Simona Petera, ilay mpianatra. Ny fihetsik’i Petera dia mampiseho fa ekeny ny maha Zanak’Andriamanitra an’i Jesosy.

Raha mpianatr’i Kristy isika, toa an’i Simona nanjary mpianany, ny Tenin’ny Tompo dia mety hanome antsika baiko mahagaga, saro-takarina… Na tsy takatr’ireo akaiky antsika aza isika na tsikerainy, dia aza manaiky ho voahozongozona ! Noho izay baiko mazava omen’ny Tompo, „noho ny teniny”, dia tsy ho diso na oviana na oviana isika, manao izay lazainy. Ndao hankatò am-pahatoniana, tsy be adihevitra, ny tenin’ny Mpampianatra. Hanaisotra ireo sakana Izy ary hampiseho ny fankasitrahany amin’izay matoky Azy.