Zoma 10 Jona 2022
Efa nohenoiko ny fitarainanao… indro, hahasitrana anao Aho. 2 Mpanjaka 20:5
Aza matahotra, ry Daniela ; fa hatramin’ilay andro voalohany… dia reko ny teninao. Daniela 10:12
— Narary i Hezekia mpanjaka, ary nambaran’i Isaia mpaminany taminy fa ho faty izy. Nivavaka sy nitomany mafy ny mpanjaka. Vao lasa fotoana fohy i Isaia dia nasain’Andriamanitra niverina mba hilaza amin’ny mpanjaka fa hohalavaina ny androny. Tsy niandry ela (ora vitsivitsy, raha be indrindra) ny valim-bavaka nomen’Andriamanitra an’i Hezekia, ary telo andro taorianan’izany dia sitrana izy (2 Mpanjaka 20:5-7).
— Nivavaka mafy i Daniela mpaminany, saingy afaka telo herinandro vao nisy anjely niseho taminy. Nohenoina dieny tamin’ny andro voalohany ny vavaka nataony, hoy ilay anjely taminy, saingy nisy fanapahana eny amin’ny rivotra nanohitra ny famaliana izany. Manaisotra ny sarona amin’ny tsy hita maso ity zava-nitranga ity, ary mampiseho fa indraindray ny vavaka dia mitafy ny toetra-na ady amin’ireo hery ratsy ara-panahy (Efesiana 6:12). Nohenoina dieny tamin’ny andro voalohany ny vavaka, na dia niandry elaela aza ny valiny…
— Nivavaka Josefa, izay nogadraina tsy ara-drariny. Nisy fotoana tsy voafaritra nandalo, mandra-pahatonga ny andro azony nohararaotina hanampiana gadra iray, izay nafahana avy eo. Niangavian’i Josefa izy io mba hiresaka tsara momba azy, rehefa afaka. Rariny izy raha hanantena fanafahana tsy ho ela, noho io lehilahy io. Saingy nanadino azy tanteraka ilay lehilahy, ka roa taona tatỳ aoriana vao nafahana avy tao an-tranomaizina i Josefa (Genesisy 40:23 ; 41:1-40). Notsapaina mafy ny faharetany, nefa tsy diso fanantenana ny finoany. Izy, Ilay Andriamaniny, dia tsy mba nanadino azy. Feno tanteraka ny fanafahana an’i Josefa, nanjary mpanapaka an’i Egypta manontolo izy. Nanafaka ireo rahalahiny tamin’ny mosary izy, ary nahita ny rainy indray.
(amin’ny heriny ny tohiny)