Alakamisy 9 Jona 2022

Ilay Fariseo… nivavaka nitokana hoe : Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza… Fa ilay mpamory hetra kosa… niteha-tratra ka nanao hoe : Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. Lioka 18:11-13

 

Soa ihany aho fa…

Tsara vakina : Lioka 18:9-14

Nanao ny tsy mety ny zanako iray, ka niara-nandamina izany taminy aho. Rehefa niravona ny raharaha, dia nanatona ny zandriny lahikely, izay nanatrika ny zava-nitranga, nitsiky nampiseho fahafaham-po, ary niteny tamiko hoe : „Soa ihany aho fa hendry !” Nihomehy aho noho ny hatsoram-pony.

Nampieritreritra ahy ilay fanamarihana nataony, satria tena maneho ny fihetseham-po ao anatintsika rehetra. Rehefa mandre teny na fihetsika tafahoatra sy ratsy ataon’olona isika, dia matetika no mieritreritra hoe : „Dia ahoana loatra re no ahavitana izany ! Raha izaho, tsy mba hanao izany na oviana na oviana !” Tafintohina ny tena, mitsara, ary miarahaba tena mangingina satria tsara fitondrantena, manadino fa manana fironana ratsy toy ny hafa ihany.

Maneho izany an-tsary ny fanoharana ao amin’ny Lioka 18. Ilay Fariseo (mpitarika ara-pivavahana) dia nivavaka tao am-pony, nanohatra ny tenany tamin’ilay mpamory hetra nambaniany. Ny vavaka nataony, izay noteneniny tamin’ny fitenin’olon-dehibe, dia ilay nambaran’ny zanako lahikely hoe : „Soa ihany aho fa hendry !”

Fa eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy ny fampitahana ny tena amin’ny hafa no ilaina. Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy ny tsirairay (Romana 14:12). Ary ny fiainantsika dia hotombanany araka ny fahamasinany, Izy Andriamanitra. Mpanota avokoa isika rehetra, manoloana ny fahazavan’Andriamanitra, ary very mandrakizay. Nefa ny fahasoavan’Andriamanitra dia mamela heloka izay miaiky fa mpanota ary mandray ny famonjena atolotr’i Jesosy Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana mba hanaisotra ny fahotan’io olona io. Izany no fihetsik’ilay mpamory hetra, izay nahatsapa ny toetrany ka nitalaho tam-panetrentena ny fahasoavan’Andriamanitra. Koa afaka nody tany aminy izy, efa nohamarinina.