Alarobia 8 Jona 2022
(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray ; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. Jaona 10:14, 15
Lahiantitra iray eo amin’ny faran’ny androm-piainany no mandry eo amina farafaran’ny hôpitaly. Nisy namany maromaro nanodidina ny farafara. Tamin’io andro io dia tonga hitsidika azy ny zafikeliny folo taona. Ka tokony hiverina ilalana ve izy ? Tsia, satria izy manana fanontaniana maika, hapetraka amin-draibeny. Koa nandroso izy ary niteny hoe :
— Azafady tompoko, mba tiako hivoaka vetivety ianareo rehetra.
Somary gagan’izany fangatahana izany ny rehetra, ary nivoaka ny efitrano. Dia nanatona akaiky kely ilay zazalahy, ka tamina endrika faran’izay matotra izy no niteny tamin’ny raibeny hoe :
— Dadabe ô, lazain’ny olona fa ho faty hono ianao. Hatramin’ny nandehanako tany amin’ny fikambanana ara-Baiboly, dia nahafantatra ny Tompo Jesosy aho, fantatro fa ho any an-danitra aho, ho any aminy. Fa ianao, ianao ve mba mahafantatra Azy ?
Nangina ela ilay raibeny, dia niteny hoe :
— Ndeha antsoy atỳ ilay mpampianatrao.
Ho faly ilay mpampianatra hampahafantatra ny Filazantsara an’io lehilahy io, fotoana fohy alohan’ny hahafatesany. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, talohan’ny nialany aina, dia hoy izy tamin’ilay zafikeliny :
— Hifankahita any ambony any isika ; azoko antoka izany, amin’ity indray mitoraka ity.
Tsy mba miova mihitsy ny Filazantsara, ilay Vaovao mahafalin’Andriamanitra ho an’ny olona ; miantefa amin’ny rehetra izy, na ankizy na olon-dehibe. Lazainy fa lalana tokana no mankany amin’Andriamanitra : Mpamonjy tokana ho an’ny rehetra, dia Jesosy Kristy. Tamin’ny fahafatesany no nanokafany ny varavaran’ny lanitra ho an’ny mpanota rehetra mibebaka. „Ny filazantsara… [no] herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino” (Romana 1:16).