Talata 7 Jona 2022

Raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa ; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory. Jakoba 1:5, 6

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Matio 6:33

 

Ho fampaherezana ireo zafikeliko

Tamin’ny fiandohan’ny taona 1964 no nitrangan’izao zavatra izao. Tao amin’ny kilasy famaranana „Matematika sy Teknika” aho tamin’izany, ary nianatra adiny 39 isan-kerinandro. Ny havizanana dia nitarika tsy fisiana herim-po, na angamba harerahan-tsaina kely. Kilasimandry aho ; ary tao amin’ny efitranobe fatoriana ho ana mpianatra avy amina kilasy maro, dia roa izahay no kristiana iray kilasy famaranana. Fahazaranay ny niara-namaky ny alimanaka Ilay Voa Tsara Nafafy sy ny toko ao amin’ny Baiboly mifanandrify amin’izany, isaky ny amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 10 ora sy sasany, fotoana famonoana ny jiro.

Nony nanakaiky ny fanadinana andrana baka, sy noho ny fandaminana ny oran’ny kilasimandry, dia tsy vita ny hamerina ny lesona rehetra, alohan’ny andro fanadinana. Ka tokony haato kely àry ve sa tsia ny vakiteny fanaonay isan-kariva ?

Ny iray dia nisafidy ny hevitra voalohany, ny iray kosa ny faharoa.

Nivaly ny fanadinana : nahazo ny laharana voalohany ilay nanome lanja ny sakafom-panahy, valim-panadinana tsy mahazatra, voamariky ny mpampianatra sy ny namana. Ho an’ilay iray kosa : valiny toy ny mahazatra ihany.

Samy niaraka tamin’ny Tompony izahay mirahalahy nandinika ny voka-panadinanay. Ny iray nieritreritra hoe : „Ho an’Andriamanitra marina ve ilay safidiko ? sa nisy hakamoana kely ihany, na fanekena lahatra mihitsy aza ?” Ary ilay faharoa : „Tsy nisy nilàna azy ny ezaka nataoko, na angamba tsy ampy finoana loatra aho”.

Hazony, rankizy malala, ny fampianaran’ireo andinin-tSoratra Masina etsy ambony ireo, mba ho voatantan’ny Tenin’Andriamanitra ianareo, eo amin’ny toejavatra rehetra mitranga aminareo. Manome voninahitra an’Andriamanitra ny finoanareo, izay tsy inona fa fatokiana sy faharetana. Ary fantatrareo koa ve fa „ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28) ?

David