Alatsinainy 6 Jona 2022
Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina, hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana. Ohabolana 14:27
Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny : Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Mpitoriteny 12:13
Ny hoe „matahotra” dia midika amin’ny ankapobeny hoe „mahatsapa horohoro”, manahy mafy. Fa, ao amin’ny Baiboly, ny fahatahorana an’Andriamanitra dia zavatra tena hafa noho ny horohoro. Izany dia fahatsapana ny fahalehibeazany sy ny fahamasinany, araka ny maha Andriamanitra Azy. Koa voatarika isika hitandrina izay eritreretintsika na ataontsika, eo anatrehan’Ilay Andriamanitsika. Ho an’ny kristiana, ny fahatahorana feno fanajana an’Andriamanitra dia fahalalana fototra lehibe eo amin’ny fiainana. Ny faniriana mba hankasitrahiny no teboka iaingana, fiandohan’ny lalana mitarika ho amina fiainan-tsambatra manaiky ny sitrapony, entanin’ny finoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra. Ao amin’ny bokin’ny Ohabolana sy ny Salamo dia mifamatotra ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fahendrena : „Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena” (Ohabolana 9:10).
Ny fahatahorana an’Andriamanitra dia misy vokany mahafaly, na dia ao anatina fotoan-tsarotra aza : „Finoana no nanamboaran’i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra” (Hebreo 11:7), araka izay nolazain’Andriamanitra taminy (Genesisy 6:14). Ny vokatr’izany fahatahorana an’i Jehovah tao amin’i Noa izany dia famonjena ho azy sy ny ankohonany, tamin’ny Safodrano.
Alohan’ny zavatra rehetra, ao anatin’ireo adintsika sy ireo fahoriantsika, dia aoka isika hankatò Ilay Andriamanitsika, ka tsy hanadino ny teniny hoe : „Fantatro… fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra” (Mpitoriteny 8:12).
Ny fahatahorana dia loharanom-pahasambarana ihany koa, loharanon’aina, mitarika antsika hikatsaka ny fanatrehan’ny Tompo, fa tsy handositra izany. „Fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao” (Salamo 16:11).