Alahady 5 Jona 2022
(Hoy Jesosy :) Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo ! Apokalypsy 22:20
Satria tiako izy
„Ny andro alohan’ny hahatongavan’ny vadiko nandeha niasa tany lavitra tany, dia hoy ny zanako lahy : „Neny ô ! Tiako hiverina ato an-trano i Dada”. Nanontaniako azy ny antony, ary noheveriko izy fa hilaza ireo fanomezana mahazatra entin-drainy, na ny alahelony tsy afaka niara-nilalao baolina taminy. Tsy izany anefa, fa hoy izy tamiko, tamina feo hentitra : „Tiako ny hiverenany, satria tiako izy !”
Izany valinteniny izany dia nampieritreritra ahy ny Tompontsika sy ny fampanantenany hiverina : „Avy faingana Aho”, hoy Izy. Iriko mafy ny hiverenany, nefa inona no antony ? Satria ve aho ho eo amin’ny fanatrehany, tsy ho tratran’ny aretina sy ny fahafatesana ? Sa satria aho leon’ny miaina ao anaty tontolo manahirana ? Sa koa, satria rehefa avy nitia Azy nandritra ny fotoana ela aho, nifampizara taminy ny ranomasoko sy ny fifaliako, dia nanjary akaiky kokoa ahy noho ny olona rehetra Izy, ary iriko ny hiaraka aminy mandrakizay ?
Nanohina ahy ny alahelon-janako ny rainy, rehefa lavitra izy. Ho zava-doza raha tsy miraharaha ny fiverenany izy, na mihevitra fa hanimba ny zavatra nokasainy ny fiverenany. Inona no tsapantsika rehefa mieritreritra ny fiverenan’ny Tompo Jesosy ? Ndao hiandrandra mafy io andro io, ka hanambara an-kitsimpo hoe : Tongava, Tompo ô ! Tia anao izahay.”
Araka an’i Keila Ochoa
Rehefa hiverina Ianao, mamirapiratra voninahitra,
Haka ny olonao hiaraka aminao mandrakizay,
E ! Fahasambarana toa inona anie izany ! Amin’ny hiakam-pandresenao,
Amin’ny indray mipy maso izahay dia hiainga ho any aminao.
„Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” (Hebreo 7:25).