Asabotsy 4 Jona 2022
Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Isaia 65:24
Ianao… mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny… Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô. Salamo 139:2-4
Mivavaka ny mpino ; mihaino Andriamanitra, ary mamaly. Indraindray Izy dia mamaly alohan’ny hahavitan’ny vavaka, indraindray mandritra ny fotoana ivavahana, indraindray segondra, na ora, na andro vitsivitsy manaraka izany, na koa afaka herinandro na taona maro atỳ aoriana…
— Nandeha tany amin’ny havan’i Abrahama ny mpanompony, nitady vady ho an’Isaka, zanak’i Abrahama. Rehefa tonga tany amin’ny nalehany izy, dia nivavaka tamin’Andriamanitra mba hotarihiny ho any amin’ilay zazavavy. Raha mbola tsy tapitra akory ny vavaka nataony, dia tonga teo anoloany ilay zazavavy nomanin’Andriamanitra ho an’Isaka (Genesisy 24:15). Namaly Andriamanitra : mbola teo am-pivavahana ilay mpanompo, no tonga teo ilay zazavavy.
— Nisy mpino nivory ary nivavaka ho an’ny apostoly Petera, izay tany an-tranomaizina, no indro izy nandondòna teo am-baravarana (Asan’ny Apostoly 12:5, 13). Andriamanitra naniraka anjely hanafaka an’i Petera, ka tonga teo izy nandritra ny vavaka.
— Nehemia, mpitondra kapoakan’ny mpanjaka, dia nandroso ny divay, no nametrahan’ny mpanjaka fanontaniana. Miankina amin’ny valinteny homen’i Nehemia ny hoaviny. Nivavaka mangina avy hatrany tamin’Andriamanitra izy, nangataka fahendrena sy vonjy, ary namaly ny fanontanian’ny mpanjaka. Novalian’Andriamanitra teo no ho eo ny vavaka nataony : nanome izay notadiaviny ny mpanjaka.
Fantatr’Andriamanitra mialoha ireo vavaka hataontsika aminy, ary valiany amin’ny fotoana tendreny araka ny fahendreny. Aoka isika hatoky Azy, fa ny fiadanany no „hiaro ny fontsika sy ny hevitsika ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:7).
(amin’ny heriny ny tohiny)