Zoma 3 Jona 2022

Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy (Jesosy). Hebreo 7:25

 

Diso tsara loatra ho ahy izany

Mpinamana vitsivitsy izahay no niara-nisakafo, ary nifampizara momba ny fiainanay miaraka amin’Andriamanitra. Ireo izay mpino dia nijoro ho vavolombelon’ny fahasambarany mahafantatra an’i Kristy. Fa hoy kosa ny iray tamin’ireo nasaina, izay mbola tsy nandray Azy teo amin’ny fiainany : „Tena mahafinaritra izany rehetra izany, mampitsiriritra ahy ianareo, saingy misy zavatra manelingelina ahy. Diso tsara loatra izany, tsotra loatra”.

Angamba ianao efa nandre tohan-kevitra toy izany. Marina fa ny fiarahamonina dia efa nanazatra antsika ho mahina manoloana izay zavatra toa tsotra loatra sy toa mampilendalenda loatra. Misy fonosana tsara tarehy, matetika, manafina zavatra tsy dia tsara akory ho an’ny fahasalamana, tsy dia manaja akory ny tontolo iainana, fa tsy araka ny fandokafana azy. Rehefa resaka fanjifana, dia fahendrena ihany ny miahiahy toy izany, indrindra rehefa mahafantatra fa izany fomba famitahana ny mpividy izany dia efa nanjary hevitra fototra amin’ny haivarotra !

Nefa Andriamanitra dia tsy mihevitra ny hivarotra na inona na inona amintsika, ary tsy hamitaka an’iza na iza mihitsy. Isika dia mifandraharaha amin’Ilay Mpahary antsika tia antsika, Izay mitady fifampikasohana amintsika, nefa tsy ho tombontsoany, fa mba hahavoavonjy sy hahasambatra antsika. „Andriamanitra tsy mba olona ka handainga” (Nomery 23:19). „Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga” (Romana 3:4).

Eo avokoa ny mpino rehetra mba hijoro ho vavolombelona fa na oviana na oviana Andriamanitra dia mbola tsy namadika na nandiso fanantenana azy ireo : „Fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany” (2 Timoty 2:13).

Eny, afaka mino an’Andriamanitra isika, mitodika aminy tsy mihambahamba ; izay zavatra ampanantenainy dia tsy hoe diso tsara loatra ka tsy ho marina ! Afaka matoky tanteraka isika.