Alakamisy 2 Jona 2022

Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko. Jeremia 15:16

… nampitenenany (nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany. Hebreo 1:2

 

Niteny tamiko Andriamanitra

Mbola taona vitsivitsy lasa izay, tany amin’ny Firaisana Sovietika, dia vitsy ny mpino nanana Baiboly. Nandritra ny fotoana ela dia nivavaka momba izany ny mpino tao amina fiangonana iray. Indray andro dia nisy mpamangy iray avy any amina firenena tandrefana, tonga tao an-tanàna ary nanome Baiboly iray ho an’ny pasitera. Ny alahady taorianan’io, fifaliana toa inona moa ny an’ireo mpino, ary fisaorana mitafotafo an’Andriamanitra, rehefa nasehon’ilay pasitera azy ireo ilay Baiboliny ! Mba afaka mandre amin’izay ny Tenin’Andriamanitra vakina izy ireo. Fa nony nirava ny fanompoam-pivavahana, dia mbola nisy koa zavatra tsy nampoizina : nizaran’ny pasitera takila iray avy tamin’ilay Baiboly efa nandrasana fatratra ny olona tsirairay. Tiany ny nizara ilay harenany, mba hahafahan’ny tsirairay mamaky manokana ny Teny ao.

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana ilay pasitera dia nifanena tamina mpiangona iray, izay nitsiky be niarahaba azy sy niteny taminy hoe :

— Tena nahafaly ahy ilay takilan’ny mpaminany Jeremia nomenao ahy !

— Hitanao ho nampahery angaha ilay izy ? hoy ilay pasitera, nanontany. Jeremia anefa tsy mba nanana fiainana mora. Nosamborina izy, nokapohina, natsipy tany an-davaka, ary angamba aza novonoina tany an-tsesitany.

— Izay indrindra, nahasoa ahy io takila io, satria nanomboka amin’ny teny hoe : „Ary tonga fanindroany tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan’ny trano fiambenana ihany izy” (Jeremia 33:1). Satria Andriamanitra niteny tamin’ilay mpaminaniny nitondra fahoriana, tamina fotoana tena nanjombona toy izany, dia afaka miteny amiko koa Izy, ary tena nahasoa ahy fatratra ny nieritreritra izany.