Alarobia 1 Jona 2022
Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17
Eny, ahitra tokoa ny olona. Maina ny ahitra, malazo ny voniny ; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay. Isaia 40:7, 8
Isika dia mirona hanome lanja lehibe ny fihetsehampontsika sy ny fahatsapantsika. Nefa eo amin’ny fiainana kristiana dia zava-dehibe fototra ny miorina eo amin’ny Tenin’Andriamanitra, alohan’ny zavatra rehetra. Ireto misy ohatra vitsivitsy mba hampaherezana antsika :
— Tsy tsapako hoe voavonjy aho, nefa voasoratra hoe : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31). Mino aho, noho izany dia voavonjy, Andriamanitra no niteny izany !
— Tsy tsapako ny fisian’ny Tompo eo akaikiko, nefa voasoratra hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Tena eo tokoa Izy izany !
— Rehefa mivavaka aho, dia mahatsapa indraindray fa toa miteny amin’ny rindrina, nefa voasoratra hoe : „Ny Mpanao ny sofina va tsy handre ?” (Salamo 94:9). Andriamanitra izany dia mahare mandrakariva ny vavaka ataoko !
— Tsy tsapako ny fitiavany, nefa voasoratra hoe : „Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20). Tia ahy Izy izany, ary noporofoiny izany !
— Manahirana ny zavatra rehetra, toa tsapako fa mandao ahy Andriamanitra, nefa voasoratra hoe : „Fa hoy Izy : Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory” (Hebreo 13:5). Izy izany dia tsy mandao ahy, ary Izy mihitsy no nanamafy izany !
— Efa hatry ny ela aho no nivavaka, nefa tsy misy na inona na inona miova. Toa tsapako fa manadino ahy Andriamanitra. Nefa voasoratra hoe : „Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao” (Isaia 49:15). Tsy manadino ahy na oviana na oviana Andriamanitra !
„Voasoratra hoe” : io no manome fahazoana antoka tena izy, ho an’ny kristiana. Ny fihetsehampony sy ny fahatsapany dia miovaova, ny Tenin’Andriamanitra kosa dia tsy mba miova, fa mafy toy ny vatolampy.