Talata 31 Mey 2022
Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray… ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. 1 Korintiana 12:13
Ianareo samy manao hoe : Izaho an’i Paoly, na : Izaho an’i Apolosy, na : Izaho an’i Kefasy, na : Izaho an’i Kristy. Voazarazara va Kristy ? 1 Korintiana 1:12, 13
Ny fiangonana tany Korinto dia nandray mpino maro. Izy rehetra ireo dia samy nanana an’i Jesosy ho Mpamonjy sy Tompo. Na izany aza anefa dia nisy niteny hoe : „Izaho an’i Paoly” (izay nitory ny Filazantsara taminy). Ny sasany namaly hoe : „Izaho an’i Apolosy” (izay nanazava taminy tamin-kery ny tenin’ny Baiboly). Ny hafa indray nanampy hoe : „Izaho an’i Kefasy”, izany hoe Petera (izay nahafantatra an’i Jesosy tetỳ an-tany).
Izany fifampiandaniana ao amin’ny Fiangonana izany no niteraka ny fizarazarany, ary mbola loza lehibe mitatao amin’ny maha iray azy. Inona no hatao, manoloana izany toejavatra izany ?
Aoka isika hitandrina mba ho Jesosy sy ny Teniny no hanana ny toerana voalohany ao am-pontsika. Tsapantsika ve fa ny fizarazaran’ny vahoaka kristiana dia zavatra tsy araka ny tokony ho izy, fijoroana ho vavolombelona manohitra ny tena maha izy azy ny Fiangonana, dia ny maha iray azy ao amin’i Kristy ?
Raha ny Baiboly no „mpamaritra iraisana” ao amina vondrona kristiana iray, dia samy hiezaka ny tsirairay hiaina izay tsara sy marina araka io Teny io, ary handà izay diso mbamin’izay mety ho fialonana sy fiandaniana. Dia hanana ny toerana voalohany i Kristy. Ary hiainan’ireo kristiana tafaray ireo tokoa, am-pifaliana sy am-pahamatorana, ny nolazain’i Jesosy hoe : „Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18:20). Toy izany no iainana ny Fiangonana.
Tena ny fitiavana an’i Kristy tokoa ve, sy ny Fanahy Masina, no mamelona ny fiainako araka ny maha kristiana ahy sy ny fifandraisako amin’ny hafa ao anatin’ny Fiangonana ? Jesosy no Lohan’ny Fiangonana, ary ny Fanahy Masina no mamatotra antsika aminy, ho vatana iray.