Alatsinainy 30 Mey 2022
Dia hoy Jehovah tamiko : Marina ny ahitanao azy ; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko. Jeremia 1:12
Mandra-pahafoana ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Matio 5:18
Mbola tanora i Jeremia no niseho taminy Andriamanitra. Hoy Izy tao amina fahitana voalohany : — Ry Jeremia, inona izao hitanao izao ? — Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako. — Marina ny ahitanao azy ; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
Ny hazo mahatsiaro no hazo voalohany mamelana rehefa lohataona. Mivoaka avy ao amin’ny torimason-dririnina izy, „mifoha” alohan’ny zavamaniry hafa rehetra. Araka izany izy dia marika mitory ny fahamalinan’Andriamanitra hanatanteraka ireo fikasany.
Ny hazo dia ohatra ny maty tanteraka rehefa ririnina ; ao ihany anefa ny aina, na dia tsy hita maso aza. Fivontosana kely, tsimoka, tsirin-javamaniry, felam-boninkazo mivelatra : indro ny aina, manana hery tsy ampoizina.
Niteny Andriamanitra, ary izay nolazainy dia ho tanteraka, amin’ny fotoana hofidiny. Mety tsy horaharahain’ny olona ny Teniny, toa soratra maty, nefa ao anatiny ny aina. Ary Andriamanitra dia mahatsiaro ny Teniny, mba hahatanteraka azy.
Ny Tenin’Andriamanitra dia manambara mazava amintsika :
— ny fahasambarana mandrakizay anjaran’ireo mpino voavonjy noho ny asa nataon’i Kristy ;
— ny fitsarana ireo fahavalon’Andriamanitra ;
— ny haharava ireo zavatra hita maso ;
— lanitra vaovao sy tany vaovao.
Tsy maintsy ho tanteraka izany rehetra izany. Aza manaiky hofitahina isika ! Hifarana ny ririnin’ity tontolo ity. „Fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny filazantsara izay notorina taminareo” (1 Petera 1:25). Inona no anaovantsika izany ?